Azo teny am-pelatanan’ireo mpangalatra i Mahery, ilay zazalahy vao herintaona nangalarin’olona ny 1 desambra 2023 lasa teo, teny Soamanantombo. Nangataka vola mitentina 7 hetsy Ar ho sandan’ny famotsorana azy tamin’ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany anefa ireo mpangala-jaza. Nanao ny vela-pandrika avy hatrany ny zandary afakomaly. Tratra tao amin’ny fokontany […]
Taratra
Mpaka an-keriny an-jatony : mihorohoro Ankazobe !
Nahoraka tao anatin’ny distrik’Ankazobe omaly, ny feo mahakasika ny fisian’ny adian-jiolahy misy mpikambana 30. Mihorohoro ny mponina ka miverina matory any an-tsaha. Tsy milamina ny ao Ankazobe ! Velon-taraina amin’ny hafitsoky ny mpaka an-keriny ny mponina. Voatery mitsoa-ponenana aty an-drenivohitra izay marefo. Mijanona an-tanàna fa mandry an-tsaha kosa amin’ny alina […]
Taekwondo WT : Seksiona iray sisa tsy nahavita fifidianana
Seksiona efatra tamin’ireo dimy no efa nahavita ny fifidianana izay ho filohany, araka ny fotoana napetraky ny Federasiona malagasin’ny taekwondo WT. Efa tontosa ny volana novambra lasa teo avokoa izany. Lany hitantana ny seksiona an’ Antananarivo Renivohitra, Robivelomanantsoa Mbolatiana Volahaingo. Hitondra an’Ambohidratrimo kosa Ranjavololona Julie Claudette. Filohan’ny seksiona Avaradrano, Rabemananjara Eric ary […]
SOMBIM-BAOVAO
Ny alahady lasa teo, naneho ny heviny mahakasika ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, Rakotomalala Njiva, Malagasy lohalaharana Barea. Nanazava ny fahitany ny mpilalao sy ny lalao roa natrehan’izy ireo, nandritra ny andro voalohany sy faharoa, ny ady tapakilan’ny “Mondial 2026”, ny tenany tamin’izany. Tonga nanotrona ny fifaninanana « Grand Tournoi d’Antananarivo […]
Volley-Analamanga : nahazo mpitsara 25 vaovao
Volana vitsy nijoroany, miezaka mampandroso hatrany ny taranja volley-ball, ny eo anivon’ny ligin’Analamanga. Taorian’ny fifaninanana « service, réception, attaque », niroso tamin’ny fanofanana mpitsara indray ny LRVB, nanomboka ny faramparan’ny volana novambra teo. Vita ny fanadinana ho an’ireto mpiofana ho mpitsara ireto, ny 25 tamin’izy ireo no afa-panadinana ka voatendry ho mpitsara […]




