Taratra

Taksiborosy tra-doza: lehiben’ny fokontany sy zazamena vava maty

Fiara mpitatitra olona iray no nitsoraka tany ambany tetezana, afakomaly tamin’ny lalam-pirenena voalohany. Lehilahy sy zazamena no namoy ny ainy. Nieren-doza ny mpandeha 21 hafa. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, afakomaly, tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Tra-doza tamin’izany ny fiara mpitatitra mampitohy an’i Kiraomena sy Tsiroanomandidy. Tapaka […]

Mondial 2022: lalao 28 ihany no alefan’ny TVM

Noho ny tolotra omen’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (FIFA), voafetra ho 28 ihany ny isan’ireo lalao azon’ny fahitalavitra alefa, izay tsy andoavam-bola, amin’ny «Mondial 2022», tanterahina any Qatar, manomboka rahampitso alahady 20 novambra. Araka izany, 28 ihany izany ny isan’ny fihaonana azon’ny TVM alefa, araka ny nambaran-dRakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana, minisitry […]

Basket – “Bal Elites 16”: ekipa henjana ireo miandry ny Cospn atsy Afrika Atsimo

Tokony hanainga, anio, raha tsy misy ny fiovana ka hihazo an’i Cape Town Afrika Atsimo ny ekipan’ny Cospn, hiatrika ny fifaninanana BAL (Basket ball Africa League) Elites 16.  Fifaninanana hatao 22 hatramin’ny 27 novambra izao izany, hiatrehana ny dingana faharoa amin’ny fifanintsanana ahazoana ny tapakilan’ny BAL 2022. Tsiahivina fa henjana […]

Kitra – Orange Pro League 2023: nanolotra baolina 175 ny fiadidiana ny Repoblika

Hanomboka amin’ity faran’ny herinandro ity ny fifaninanam-pirenena hiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara “Orange Pro League 2022-2023”, taranja baolina kitra. Nangataka birao hiasany ny Club de football elite de Madagascar (CFEM). Hotanterahina manomboka anio asabotsy 19 novambra ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra Orange Pro […]