Nanomboka mihena ny isan’ny mpandeha fiaramanidina eto Madagasikara ny volana aogositra teo. Ny volana oktobra teo, nilatsaka ny antontanisa noho isika manomboka miditra amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra. Nilatsaka hatrany amin’ ny 117 000 ny mpandeha fiaramanidina ny volana septambra teo raha toa ka nahatratra 130 000 izany ny volana aogositra, araka […]
Taratra
Ramakavelo Désiré : “Tokony hijoro sy hiray hina ny tanora”
« Tsy miray hina, samy maka ho azy ary samy mandeha samy mitady, anisan’ny olana eo amin’ny tanora ka mamotika ny hoavin’izy ireo ankehitriny », hoy ny jeneraly Ramakavelo Désiré, raha nanontaniana tetsy Anosy, ny faran’ny herinandro teo. « Tokony hiray hina sy hijoro, tsy hanongana fa mijoro tsy hanaiky ny fanapotehana ny […]
Hosoka tamin’ny fifidianana : mitaky fanadihadiana ny fanjakana amerikanina
Nanao fanambarana ny mpitondra tenin’ny departemantam-panjakana amerikanina, i Matthew Miller, manoloana ny fifidianana farany teo. Miantso ny Ceni izy ireo hamaha ireo olana niseho. Takiny koa ny governemanta hanadihady amin’ny antsipiriany ireo tsy fahatomombanana sy ireo voalaza fa hosoka. “Tokony hirosoana ny fanavaozan-drafitra samihafa navoitran’ireo mpanara-maso ny fifidianana malagasy sy […]
Mpianatra Androy : “Avoahy ny Kly Randrianirina Mickaël”
Nanao fanambarana ny fivondronan’ny mpianatra teraka Androy (Fizatampioto) eo anivon’ny oniversiten’i Toliara, ny faran’ny herinandro teo. “Takinay tsy misy hatak’andro ary tsy misy fepetra ny hamoahana ny raiamandreninay, terak’Androy, ny Kly Randrianirina Mickaël. Manome 48 ora izahay ho famoahana azy amin’io toerana tsy mendrika azy io. Handray fepetra hentitra izahay […]
Fandaminana ny disadisam-pifidianana : miantso ireo zanany mpahay lalàna ny FFKM
Nifarana tany Fianarantsoa ny herinandro teo ny zaikabe faha-45 ho an’ny komity foiben’ny FFKM. Anisan’ny tafiditra tao anatin’ny fehinkevitra ny momba ny hanohizan’ny fiangonana ny fanelanelanana ny raharaham-pirenena. Anisan’izany ny hafatra fiantsoana ireo mpahay lalàna zanaky ny FFKM. “Ilaina izy ireo hanazava ireo teboka maromaro tsy itovian-kevitra manoloana ny resaka […]




