Hisongadina ny fiakaran’ny maripana ambony indrindra any amin’ny atitanin’ny faritr’i Menabe sy Atsimo Andrefana ary ny ilany andrefan’ny faritra Sofia, manomboka anio. Entanina hatrany koa ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka atsimo-andrefana, atsinanana, atsimon’ny Nosy ho mailo fa misy ny alondrano avy atsimo-atsinanana, Hahery ny ranomasina ka hahatratra 3m ny haavon’ny […]
Taratra
Famolavolana ny politika : maniry ny handray anjara ny tanora
Nandritra ity taona ity, nisy ny fakan-kevitra tamin’ny tanora 1 770, tamin’ny alalan’ ny fanadihadiana momba ny zavatra andrasany sy ny hetahetany ary ny fanahiany ho an’ny hoavy andrandrainy amin’ny sehatra fito. Nifarimbona tamin’ny fanadihadiana ny Unicef sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nivoitra avy tamin’ny fanadihadiana natao fa tanora […]
Fampiatiana : mila asa mendrika ny manana fahasembanana
Nomarihina, omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny olona manana fahasembanana. “Asa mendrika ho an’ny olona manana fahasembanana” no lohahevitra novoizina. Nitondra hafatra ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, ny amin’ny hanairana ireo sehatra maro hifanome tanana amin’izany fanomezana asa mendrika ireo sokajin’olona manana fahasembanana ireo. Ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny […]
Napetraka ny komity mpitantana : ampanarahana fenitra ny fianarana asa eto Madagasikara
Maro ny tanora no misafidy ny hirotsaka amin’ny fianarana asa avy hatrany ahafahana manana foto-pivelomana maharitra. Vitsy anefa ireo toeram-panofanana no manana rafitra ara-dalàna. Notanterahina ny herinandro lasa teo, tao amin’ny minisiteran’ny fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arakasa, ny fivoriana voalohany natrehin’ny komity mpitantana ny fianarana asa. Komity mampivondrona ny […]
Tenisy – Mada 2023: norombahin’i Nicolas sy Tsanta ny amboara
Nifarana omaly, teny amin’ny Club olympique de Tananarive (COT) Ankadikely Ilafy, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara “Mada 2023”, taranja tenisy. Norombahin’i Nicolas ny amboaran’ny “1ère série”, lehilahy, raha toa ka azon’i Tsanta ny an’ny vehivavy. Nahazo lelavola 6 tapitrisa Ariary avy izy mianadahy. Marihina fa ity fifaninanana ity, nandraisan’ireo sokajy […]




