Taratra

FANTINA sy FINTINA

Hatao ny 16 desambra izao ny fianianan’ny filoha Rajoelina Andry, araka ny nambarany teny Ivato, ny zoma teo. Nanteriny fa hisy filoham-panjakana ho avy hanatrika sy hanotrona ny lanonana. Tombanana fa mety hatao etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina izany. Mitsipaka marindrano ny voka-pifidianana navoakan’ny HCC ny Vondron-kery sy antoko mitaky ny […]

Fihaona an-tampony iraisam-pirenena : miatrika ny Cop 28 any Dubaï ny filoha Rajoelina

Tsy an-kiandriandry, efa any Dubaï ny filoha Rajoelina Andry, ny faran’ny herinandro teo. Niatrika ny fihaonana an-tampony maneran-tany han­dinihana ny fiovaovan’ny toetr’andro (Cop28) ny tenany. Anisan’ireo nihaona taminy ny sekretera jeneralin’ny Fran­kofonia (OIF), i Louise Mushi­kiwabo. Voaresaky ny roa tonta ny fizotry ny fifidianana filoham-pirenena teo sy ny ho fanohizana […]

Fihodinana faharoa

  Efa naneho ny heviny ny vahoaka tamin’ny fifidianana teo. Tao ny tsy nifidy, ny vato fotsy, ny nifidy kandidà iray… Efa nivoaka ny didim-pitsarana ny amin’izany. Inona na ahoana koa ny manaraka? Ahoana ireo tsy manaiky didim-pitsarana? Na mikiribiby amin’ny heviny nefa efa notsarain’ny vahoaka tamin’ny fifidianana… Mbola hisy […]

Filoha Andry Rajoelina : manao tohy vakana ny fiarahabana azy

Mirarakompana ny fiarahabana ataon’ny filoham-pirenena vahiny ny filoha Rajoelina Andry, taorian’ny namoahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ny fahalaniany. Efa manatrika ny hetsika momba ny tontolo iainana COP 28 any Dubaï ny tenany, nandritra ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nitondra ny fiarahabana sy ny firarian­tsoa amin’izao hiton­dran’ny filoha Rajoelina Andry […]

TSELATRA

Vehivavy iray voatifitry ny olon-dratsy teo amin’ny kibony sy ny tanany nandritra ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany Batiment , kaominina sy distrika Mahabo, tamin’ny 8 ora alina. Lasibatra nandritra ny fifandonana koa ny miaramila iray izay voatifitra teo amin’ny feny. Zana-tsokatra 20 isa no azon’ ny zandary tao amin’ny fokontany Belinjo, […]