Maty norasarasain’ny jiolahy antsy ny raim-pianakaviana iray tao Ambolomadinika, Toamasina, ny sabotsy 2 desambra teo. Lasa ny vola an-tapitrisa. Tsy tana, ny alahady maraina teo, ny ain’ilay lehilahy lasibatry ny asan-jiolahy hitan’ny mpitandro filaminana nihosin-dra tao Ambolomadinika, ny faran’ny herinandro teo. Zanaka mpandraharaha ao Ambahavala, kaominina ambanivohitra Ampasina Maningory, distrikan’i […]
Taratra
Teo am-pitotoana vary: olona efatra maty nilatsaham-baratra
Olona efatra indray maty nilatsaham-baratra tao amin’ny fokontany Ankofalava, kaominina sy distrikan’i Maroantsetra, ny zoma lasa teo. Nisy oram-be sy kotro-baratra tao amin’io fokontany io ka nirefodrefotra ny varatra. Nilatsaham-baratra ny trano misy milina fitotoam-bary an’ny raim-pianakaviana iray. Olona maro handeha hitoto vary no teo amin’io toerana io niaraka tamin’ireo […]
Haintrano tetsy Ankasina: afa-mianaka niara-maty kilan’ny afo
Zaza iray taona ny iray tamin’ireo efatra mianaka maty kilan’ny afo tetsy Ankasina, ny alin’ny zoma 1 desambra teo, tamin’ny 11 ora alina. Nitrangana haintrano mahatsiravina tetsy Ankasina, Boriborintany I, ny alin’ny zoma 1 desambra teo. Valo mianaka iray trano indray nohotohotoin’ny afo tao anatin’ny minitra vitsy.“Tsy tafavoaka ny trano […]
Fiba 3×3 Africa Cup : nandresy an’i Maraoka ny Ankoay vavy
Tsara fanombohana ny Ankoay vavy, omaly, ao anatin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, tanterahina any Le Caire Egypte. Nandresy an’i Maraoka tamin’ny isa 14 no ho 10 i Madagasikara, teo amin’ny sokajy vehivavy. Na dia somary mafimafy aza ity ekipan’i Maraoka ity, tsy nanaiky lembenana ry Muriel, Sydie, […]
SOMBIM-BAOVAO
Manatanteraka fanazarantena eny Carion, nanomboka ny alatsinainy 27 novambra lasa teo, ny ekipam-pirenena zandriny, lahy sy vavy, latsaky ny 15 taona (U15), taranja baolina kitra. Hiatrika ny fifaninanana “Cosafa School” izay hotanterahina any Zimbabwe, ny 14-16 desambra ho avy izao izy ireo. Notanterahina nanomboka omaly, teny amin’ny kianjan’ny Club Olympique […]




