Taratra

Fiba 3×3-Africa Cup : laharana fahatelo ny Ankoay lahy sy vavy

Nifarana omaly alahady, tany Le Caire, Egypte, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety lalaovin’olona 3. Laharana fahatelo avokoa ny Ankoay lahy sy vavy. Medaly alimo avokoa no norombahan’izy ireo, na ny teo amin’ny sokajy vehivavy izany, na teo amin’ny sokajy lehilahy. Samy niatrika ny lalao fiadian-toerana fahatelo izy ireo. […]

TARATRY ny KANTO

« A Wonderful Christmas Time ». Tontosa ny sabotsy teo, teny amin’ny Ivokolo Analakely, ny « A Won­derful Christmas Time», niarahana tamin’ ny « Voa’Art the National Orchestra of Madagas­car » sy ny « Laka Ensemble ». Fampisehoana maroloko sy matihanina ary avo lenta tanteraka no hita teny an-toerana, nahi­tana hira malagasy sy vahiny maro samihafa. “Diary […]

Ankizy mozika Festival : voatily ny talenta vaovao

Nahafinaritra ! Nahaliana ! Nahavariana ! Manan-talenta ny zaza malagasy !… Ny teny tahaka izany no nifanaretsaka taorian’ny seho sy fifaninanana « Ankizy mozika Festival », notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Kianjan’ny kanto Imahamasina. Manana lenta tsara eo amin’ny hira, indrindra fa ny fitendrena zavamaneno ny zaza malagasy. « Taranja » maro samihafa rahateo no nifandimby […]

Tratra ihany koa… : manjary misy « mpanera » ny kabary malagasy

Eo amin’ny tontolon’ny hira, misy ny olona na ny orinasa, tsy manana asa aman-draharaha ankoatra ny mikarakara hetsika (lanonana, fety, …)… Ankehitriny, manomboka miseho amina endrika « fanerana », izany, ho an’ny kabary. Efa zary mahazatra ny sofina ny maheno ny teny hoe : « manera » na « mpanera » na « mpijirika ». Ilay olona manelanelana eo […]