Nandray fepetra manokana ny ATT, mandritra ny faran’ny herinandron’ny fety, hahafahana mamaha ny olana sy mampandeha ny raharaha hatrany. Mbola hisokatra ny ATT amin’ny toerana maro ho an’ireo izay hitondra taxi-borosy na taxi-be ivelan’ny lalana mahazatra ka haka ny fahazoan-dalana manokana amin’izany. Amin’izao ankatoky ny fety izao, manafatrafatra ny minisiteran’ny […]
Taratra
Tsy fanjarian-tsakafo : Hivoaka ny biletà famakafakana IPC
Havaozina sy arahi-maso hatrany ny toe-draharaha mahakasika ny fiarovana ara-tsakafo any amin’ny faritra marefo indrindra amin’ny loza ateraky ny toetr’andro. Amin’ ny alalan’ny BNGRC no hanatanterahana izany mba hiantraika mivantana amin’ny faritra iasana. Jerena manokana izany ao anatin’ny toe-javatra iray ahitana fiakaran’ny tsy fahatokisan-tena ara-tsakafo noho ny fiovan’ny toetr’andro sy […]
CHU HJRA : Manampy ny marary rehefa fety ny fikambanana
Fikambanana maromaro no tonga manao asa soa eny amin’ny hopitaly rehefa fetin’ny Krismasy sy faran’ny taona. Tsy diso anjara tamin’izany ny HJRA Ampefiloha. Nisy ny Krismasin’ny marary, izay fanao isan-taona. Nizarana kojakoja ilaina andavanandro ho an’ireo marary sy ny mpanaraka ny marary tao an-toerana. Teo ny Aumônerie Protestante nanome ny […]
CONIM : Sekoly mampianatra paramed maromaro handraisana fepetra
Nampiaka-peo ny holafitry ny paramed manoloana ny tsirambina ataon’ireo sekoly ambony sasantsasany mampianatra. Handraisana fepetra ary mety hiafara amin’ny fanakatonana ny sasany amin’izy ireo. Nanao tombana ny herintaona nitantanany ny holafitry ny infirmiera eto Madagasikara na ny Conim ny filohany, Andrianarison John. Efa maro ny zavatra vita nefa mbola lavitra […]
FANTINA sy FINTINA
Nirary Noely feno fitiavana ny filoha Rajoelina Andry tao amin’ny tambajotra sosialy amin’izao fankalazana ny Krismasy, andro nahaterahan’i Jesoa Kristy Tompo izao. Mba ho fanantenana ho anao sy ny ankohonanao izany, araka ny nambarany. “Andriamanitra anie hitahy sy hanazava ny lalana diavintsika ary hitari-dalana antsika hatrany”, hoy izy. Nirary soa […]