Taratra

INDRAY MIJERY

49% ny vehivavy manambady eo anelanelan’ ny 15 taona hatramin’ny 49 taona ihany no fantatra fa mampiasa ny fomba fandrindram-piterahana. Mbola maro, araka izany, ireo tsy resy lahatra na tsy mahafantatra tsara ny tombony azo amin’ny fampiasana azy ireny. Efa mihamaro kosa ny tanora mazoto miaro tena tonga manatona tobim-pahasalamana. […]

Lalam-piofanana momba ny rano : Nosokafana ny taom-pianarana vaovao

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny taom-pianarana vaovao ho an’ny lalam-piofanana fitantanana sy fanodinana ny rano (Master), sy ny lalam-piofa­nana rano sy angovo (Licence). Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Defi eau, vatsian’ny Von­drona eoropeanina vola ny tetikasa, miaraka amin’ny Eras­mus. Toeram-piofanana ambony sy Oniversite miisa 5 no handray ireo […]

Fahasalamana: Tsy fahavetavetana ny fanaovana PF

Misy amin’ny vehivavy no menatra raha fantatry ny olona fa mampiasa fomba fandrindrana fiainam-pianakaviana (PF) izy. Mafy ny fanenjehana sy fitsaratsaran’ny fiarahamonina noho ny tsy fahafantarana ny maha zava-dehibe ny fampia­sana azy ireny. “Tsy midika ho favetavetana na fijangajangana na hamaolana velively ny fanaovana fanabeazana aizana fa tena fandraisana an-tanana […]

Herisetra ara-pananahana: Lesoka ny fomba amam-panao sy ny tsy fahafantarana ny zo

Mbola maro ireo tsy mahafantatra ny zo ara-pananahana ka lasa mivadika herisetra izany na eo amin’ny samy mpivady aza. Mbola sakana be koa ny karazana fomba… Nandray anjara tamin’ny dinidinika teny Ivandry mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana ny controleur Général de Police, avy ao amin’ny Brigade féminine de proximité (BFP), Ran­driambelo […]

SOMBIM-BAOVAO

Hifarana ny zoma ho avy izao ny fandraisana ny antontan-taratasy fangatahana izay ho kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy taranja tenisy. Olona hitondra ny ekipa amin’ny fifaninanana amin’ny fiadiana ny amboara Davis sy ny Billie Jean King. Takina amin’izay ho kapiteny ny fahaizana tenim-pirenena sy ny fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hisy fifaninanana basikety […]