Taratra

Tetibolam-panjakana 2024 : lohalarana ny fanatsarana ny sosialy

Mitotaly 12 706 miliara Ar ny fitambaran’ny tetibola ho an’ny taona 2024. Voafaritra ao anatin’izany ny fampandehanan-draharaha amin’ny an­kapobeny sy ny fampiasam-bolam-panjakana. Natolotry ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabariniri­narison Rindra Hasimbelo, nandritra ny fivoriambe tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny famelabelaran-kevitra amin’ ny ankapobeny ny lalàna mifehy ny fitantanam-bola […]

fitaovam-piadiana : Atrikasa momba ny fiparitahany

Tsapa ankehitriny ny hamaroan’ny fivezivezen’ny basy tsy ara-dalàna amin’ireo toerana maro eto Madagasikara. Heverina ho antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy, amin’izao fotoana izao, izany. Mananosarotra ny fanaraha-maso azy ireny koa ny tsy fanavaozana ny taratasy ahafahana mitazona azy ara-dalàna. Hifehezana izany rehetra izany indrindra no antony nanatanterahina […]

Tetiandron’ny Ceni : hatao mialoha ny volana mai ny fifidianana ben’ny Tanàna

Efa maka bahana. Anisan’ ny nambaran’ny filohan’ ny Ceni, ny sabotsy teo, tamin’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ny hanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny depiote amin’ny taona ho avy. Tom­banan’izy ireo hatao amin’ny enim-bolana voalohany amin’ny taona 2024 izany, araka ny nambarany. Vinavinaina izany fa hatao mialoha ny volana […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga, ny lalao famaranan’ny «Coupe de la ligue Boeny». Hiady ny amboarabe sy ny lelavola iray tapitrisa ariary ny FC Sarobidy sy ny FC JTM. Marihina fa hahazo vola avokoa ny faharoa sy ny fahatelo amin’izany. Hanomboka ny 27-30 desambra […]

African School Football Championship: hanafika atsy Zimbabwe ny kilonga malagasy

Hampiantrano ny fifaninanana afrikanina “African School Football Champion­ship”, taranja baolina kitra, natokana ho an’ny mpianatra, i Harare Zimbabwe. Hotan­te­ra­hina ny 14 ka hatramin’ny 16 desambra izany, araka ny tapaky ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Kaonfe­de­rasiona afrikana ny baolina kitra (CAF). Anisan’ireo handray anjara amin’izany ireo kilonga malagasy. Sambany no hiatrika […]