Taratra

Jery todika

  Fanaovana jery todika na tombana ny famaranan-taona toy izao: aiza ho aiza na inona avy no vita, inona no mbola hatao na tsy maintsy atrehina… ? Na ahoana na ahoana, ny tsy vita hatrany no betsaka no ho izay vita na natomboka. Lanja miakatra ny fiainana. Tsy vitan’izany, be […]

Seranam-piaramanidina Ivato : Volamena 53,73 kg saika haondrana antsokosoko sarona

Saika haondrana tamin’ny alalan’ny taratasy hosoka ireo volamena 53,73 kilao tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alatsinainy teo. Taratasy tsy tena izy no nampiasaina saika hitondrana izany any ivelany ka noraisim-potsiny ilay nikasa hamoaka ireo volamena. Mpiasam-panjakana iray avy ao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny no voalaza fa tompon’ antoka tamin’ny fanomezan-dalana […]

TSELATRA

Notanana eny Tsiafahy, afakomaly, ny lehilahy nanolana ny zanany vavy 16 taona tao Sabotsy Na­mehana. Nanamparany ny filan-dratsiny io zanany naterany io ary norahonany tsy hiteny tamin’ny manodidina momba ny fanararaotana ara-nofo nahazo azy. Lelavola 40 tapitrisa Ar lasan’ny jiolahy roa lahy nitam-piadana, tao Ambolomadinika, ny alatsinainy 23 desambra teo. […]

Kelivaho Betroka: Vehivavy naratra mafy notifirin’ny dahalo

Tsy vitan’ny mangalatra omby fa manafika toeram-pivarotana ny dahalo amin’iny tapany atsimo iny. Niharan’ny fanafihan-dahalo nirongo fi­taovam-piadiana mahery vai­ka ny renim-pianakaviana iray mpivarotra, monina ao amin’ny fokontany Kelivaho distrikan’i Betroka, ny 24 desambra 2024 vao maraimbe. Araka ny tatitra voaray avy amina loharanom-baovao iray ao an-toerana, efa niandry teny ivelan’ […]

Voadonan’ny taksiborosy : Mpandeha an-tongotra maty

Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray 55 taona voafaokan’ny taksiborosy, tao Ambodiamontana fokontany Marosoka, kaominina ambanivohitra Analavory RN 43 Pk 005+ 700, ny 23 desambra 2024 tolakandro teo. Taksiborosy marika mazda, mizotra ho any Ampefy no nandona ity raim-pianakaviana ity. Niampita tampoka tamin’ny arabe izy ka tsy afa-niala intsony ilay […]