Vinavinaina hiakatra ho 5% ny tahan’ny harinkarena faobe amin’ity taona 2025 ity. Havaozina ny paikady hampiroboroboana ny sehatry ny fambolena, ny harena an-kibon’ny tany sy ny fifandraisan-davitra. Tafiditra ao anatin’izany ny fizahantany, ny fanarenana ny asa fitrandrahana. Niampy 40 ireo mpandeha ny sambo lehibe « Pacific World » rehefa nandao an’i Toamasina, […]
Taratra
Fanatsarana ny famokarana : Harenina ny tohodrano manondraka 675 ha
Simba tototry ny fasika ny tohodrano mizara ho lakandrano any amin’ny reniranon’i Manambaroha, any amin’ny distrika Manakara, faritra Atsimo Atsinanana. Zara raha misy 30 ha sisa ny velaran-tany azony tondrahana any amin’ ny lemak’Ambaniala. Manatanteraka ny fanarenana azy ny fandaharanasa Defis, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ ny Fambolena sy ny fiompiana […]
Toekarena manga : Mikatona ny jono oratsimba
Voarara ny fanjonoana, famarotana, fividianana, fitaterana ny oratsimba amin’ny endriny rehetra manomboka ny 01 janoary misasakalina ka hatramin’ny 31 marsa misasakalina. Voakasik’izany ny faritra Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Vatovavy ary Fitovinany. Noho izany, mila manambara ny tahiry ananany eny amin’ny biraon’ny talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga akaiky azy, […]
Andrebakely Ambatondrazaka : Voamboana 31 sy hazoala 26 tratra
Mbola mitohy ny fandripahana ala any Ambatondrazaka. Tsy handefitra mihitsy anefa ny fanjakana ary tsy maintsy hampiharina ny sazy farany henjana. Hazo sarobidy voamboana miisa 31 sy hazoala miisa 26 indray no tra-tehaky ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd) Alaotra Mangoro, tany Andrebakely Avaratra, Ambatondrazaka, faritra […]
Lomano-« Meeting de l’Océan Indien » : Nahazo medaly volamena sy alimo i Tianaina
Nigadona teto an-tanindrazana, ny talata 31 desambra lasa teo, ny delegasionina malagasy niatrika ny fifaninanana “Meeting de l’Océan Indien”, taranja lomano. Fifaninanana natao tany La Réunion, ny herinandro lasa teo. Anisan’ny nifaninana, nandritra izany, Rakotomalala Tianaina, izay nahazo vokatra tsara. Medaly volamena iray sy alimo iray no norombahiny. Mbola nahavita […]