Taratra

Samy manavotra ny ainy

Miditra vanim-potoana mangatsiaka ny eto an-dRenivohitra, ankehitriny. Manomboka mahazo vahana ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ireo endrika tsy fahazakana na « allergie ». Tsy ny zaza intsony na ny vehivavy marefo no mahita faisana fa hatramin’ny olona mirijarija aza izao tratry ny kohaka sy ny fahatsetsenan’orona. Ho an’ny eto Antananarivo, efa iaraha-mahalala fa […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Vonona hanao fifidianana isika”

Mbola manamafy ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, fa efa mizotra mankany amin’ny fifidianana i Madagasikara. “Hampisehoana amin’ny fivondronamben’ny firenena afrikanina sy ny fiombonambe iraisam-pirenena ny fahavononantsika hanaraka ny dian’i Gabon, nahavita fifidianana tao anatin’ny roa taona na tao anatin’ny fitondrana Teteza­mita aza”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny […]

TSELATRA

Fiara lehibe iray mpitondra mpiasa mpanao pylone avy any Mahajanga no nivadika teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, omaly tamin’ny 5 ora hariva. Olona iray namoy ny ainy, mpandeha maromaro naratra izay efa nentina notsaboina. Nandeha mafy ny fiara ary tsy nahafehy ny familiana ny mpamily ka nahatonga ny loza. Nahenoina fofona […]

Nitifitra, nahafaty olona: Zandary iray naiditra vonjimaika am-ponja

Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ilay zandary nitifitra olona tany amin’ny kaominina ambanivohitra Beko­bay, distrikan’i Mahajanga II, ny alin’ny zoma 5 jona 2026 lasa teo, rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana tany Mahajanga. Namoizan’aina, lehilahy 18 taona, sy naharatrana lehilahy roa hafa izany. Naneho fisaorana ny avy eo anivon’ny Fitsarana […]

Nisoloky tamin’ny Cash point: Vehivavy iray nalefa eny Antanimora

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, afakomaly, ilay vehivavy nisoloky vola roa tapitrisa Ariary tamin’ny Cash point iray tetsy Ambohipo, ny herinandro lasa teo, rehefa avy natolotra ny fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana tetsy Anosy. Tra-tehaky ny polisy teo am-pisolokiana vola tamina Cash point iray teny Ambohipo izy ny alarobia 03 jona […]