Hifarana ny volana jolay ny taom-pianarana 2025-2026. Namoaka ny tetiandrom-panabeazana ho an’ny taom-pianarana 2026-2027 ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Efa mandeha sahady rahateo ny fisoratana anarana amin’ ireo sekoly sasany, indrindra amin’ireo sekoly tsy miankina. Hiditra hametraka ny lamina rehetra ny mpandraharaha eny anivon’ny sekolim-panjakana rehetra ny 24 aogositra izao. Ny 31 […]
Taratra
Ady amin’ny famarinan’olona : Polisy 142 nahavita fiofanana
Nofaranana teny amin’ny ENSP Ivato, ny faran’ny herinandro teo, ny fiofanana momba ny ady amin’ny fanondranana olombelona, nandraisan’ireo polisim-pirenena miisa 142 anjara. Nanomboka ny volana avrily ny fiofanana. Manampy ny polisim-pirenena amin’ny fahafantarana bebe kokoa sy fandalinana ireo paikady enti-manadihady amin’ny ady amin’ity asa ratsy ity ny fiofanana. Antoka […]
“PLFR 2026” : Manolo-kevitra fanitsiana ny Observatoire de la jeunesse
Ao anatin’ny fandinihana ny volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana (PLFR) taona 2026 ireo solombavambahoaka amin’izao fotoana. Mitondra ny feony ny Observatoire de la jeunesse. Nandefa soso-kevitra fanitsiana mahasoa, ho an’ireo solombavambahoaka ao anatin’ny vaomieran’ny Fampirisihana ny tanora olom-pirenena izy ireo. Anisan’ny misongadina ny fananganana tahirim-bola nasionalin’ny tanora, izay hovatsiana amin’ny fanatsarana […]
TARATRY ny KANTO
Be mpankafy ny tantara an’onjampeo, ka maro toa izany koa ireo te hilomano anatin’ity seha-kanto iray ity. Niisa 19 mianadahy ireo niatrika fiofanana momba izany, tany amin’ny faritra Ihorombe, ny faran’ny herinandro teo. Ny lafiny famokarana sy fanatontosana no tena niompanan’ny fiofanana izay natao tao amin’ny Tosik’Art, ao Ankily, Ihosy. […]
Sarimihetsika : Nomen-danja ny famoronana
“Mba hahazoana vokatra misy kalitao, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena”. Tanjona lavitra ezaka izay, kanefa efa mirona mankany ireo mpisehatra anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika eto amintsika. Nisy ny atrikasa roa izay natokana ho an’ny famoronana anatin’ny sarimihetsika, tetsy amin’ny IFM Analakely. Mahakasika ny fanomanana horonantsary lava ny voalohany, niarahana tamin’ireo mpisehatra avy […]





