Mampifandray ny lalam- pirenena RN1 sy ny RN7 ny eo Anosizato, mianatsimo, mandalo Ampanefa Ankadivoribe, Antanetikely. Harenina ity lalana, mirefy 18 km, ity, ary ho vita ao anatin’ny enim-bolana. Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly 2 novambra 2023, ny asa fanamboarana ny lalana rezionaly eto amin’ny faritra Analamanga (RR-ALG-1), miainga eo Anosizato-sampanan-dalana […]
Taratra
Tranga hafahafa: lehilahy hita faty notapahin-doha
Miverina indray ny fanapahan-doha ao amin’ny faritr’Ihorombe. Raim-pianakaviana iray hita faty tao Antamenaka, distrikan’Ihosy, omaly. Raim-pianakaviana iray no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao amin’ny toerana misy ny fasam-bahiny ao Antamenaka, distrikan’Ihosy, omaly maraina. Olona handeha hanati-boninkazo no nahatsikaritra zavatra hafahafa. Lehilahy iray nitsirara tamin’ny tany ary efa tsy nisy […]
Zanak’Androy: tsy manaiky hatao fitaovana hanonganam-panjakana
Nanao fanambarana ampahibemaso ny zanak’Androy, miasa sy monina eto Antananarivo, ny talata 31oktobra teo. Notsorin’izy ireo, fa hiasa hikarama hivelomana no anton-dian’izy ireo, ka niala tany amin’ny toerana niaviany. Voakasik’izany antso avo izany daholo, ny olona avy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, toy ny any amin’ny faritra Androy, avy amin’ny […]
“Webcup 2023”: ny Malagasy, Angry Geek, no nahazo ny fandresena
Teto Antananarivo no nampiantrano ny lalao famaranana isam-paritra amin’ny fampivoarana ny tranonkala “24h by webcup”. Mpandresy tamin’ny fifaninanana tamin’ity taona ity ny ekipa malagasy Angry Geek. Teny amin’ny Ibis Ivandry no nanolorana ny loka, nanomboka ny 28 ka hatramin’ny 29 oktobra 2023. Ny mpandray anjara teo amin’ny famaranana, nandray ny […]
SOMBIM-BAOVAO
« Judo-Tompondaka maneran-tany Vétéran ». Nandrombaka ny medaly alimo i Heriniaina Vestalys, teo amin’ny sokajy M6, latsaky ny 60 kg, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Judo, sokajy Vétéran, natao tany Abu Dhabi. Laharana fahadimy kosa no nisy an’i Mamy Dongoza. “Ballon d’Or 2023”. Norombahan’ilay Arzantinina mpilalao baolina kitra, […]




