Taratra

Motocyclisme : handray ny fivoriana iraisam-pirenena i Nosy Be

Hotanterahina eto Mada­gasikara, amin’ity volana novambra ity ny fivoriambe ara-potoana “Assemblée Gé­nérale (AG)” ny federasiona iraisam-pirenen’ny Motocy­clis­me (FIM) Afrika. Any Nosy Be no toerana nosafidin’ny federasiona malagasin’ny motocyclisme (FMAM) handray izany, manomboka ny 3 hatramin’ny 5 novambra ho avy izao. Miisa 25 ireo firenena ho avy hivory eto an-tanindrazana raha […]

Kitra – «Championnat national scolaire»: ho fantatra anio izay hibata ny amboara

Tapitra amin’ity anio ity ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja baolina kitra, ho an’ireo mpianatra latsaky ny 15 taona, eny anivon’ny fitaleavam-paritry ny fampianarana manerana ny Nosy (DREN). Hifarana, anio, ny fifa­ninanam-pirenena, eo amin’ny baolina kitra, hifanandrinan’ireo mpianatra sokajy U15, lehilahy sy vehivavy ary ny U13, lehilahy avy […]

Vondron’ny olompirenena: manentana hatrany anelakela-trano

Midina ifotony. Eny an-tsena sy an’elakela-trano ary anaty fokontany rehetra ny hetsiky ny Vondron’ny olompirenena “Organisation citoyenne”. Manao haody sy miangavy minitra vitsy handresena lahatra hampandaniana ny kandidà Rajoelina Andry. Anisan’ny efa nandehanan’ny ekipan’izy ireo ny teny amin’ny tsenan’Ambanidia, Mandroseza, Ambo­lo­kandrina, Ambohipo, Tsiadana…. “Mpivarotra izahay ary nipoitra avy aty anaty […]

Fandriampahalemana an-dranomasina : nigadona tao Antsiranana ny sambo mpiady Italiana Luigi

Nigadona ao Antsiranana, ny alatsinainy 23 oktobra 2023 lasa teo, ny sambo lehibe Italianina Luigi Durant de la Penne. Avy nanatanteraka fisafoana sy fitsirihana an-dranomasina niaraka tamin’ny sambon’ny Tafika an-dranomasina Malagasy, RC Trozona sy PC Malaky, ity sambo lehibe ity. Nandritra ity fitsidihana ity, noraisin’ny kaomandin’ny tobim-pamaharana ny contre amiral […]