Mihamitombo isan’andro ny olona mivarotra amin’ny alalan’ny tambajotra sosialy eto Madagasikara. Misedra olana amin’ny fandafosan’entana noho ny tahotry ny mpanjifa amin’ ny hadisoan’ny entana ny ankamaroan’izy ireny, raha ny fanadihadiana natao. Mba hanampiana azy ireny, ho fantatry ny olona sy hahazo mpanjifa bebe kokoa mihoatra ny isan’andro ny anton’ny hetsika […]
Taratra
Kandidà Rajoelina : “Hatao tonga isan-tokantrano ny fampandrosoana”
Nihazo tany Fandriana sy Ambositra ary Ambalavao ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Nambarany tamin’izany fa hipaka any amin’ny isam-baravarana ny fandaharanasany. Notsiahiviny fa efa nanampy ny tany an-toerana ny tenany tamin’ny andron’ny Covid-19 sy ny rivodoza. Amin’ny andro sarotra no ahitana ny tena namana ary tsy azo sakanana ny […]
INDRAY MIJERY
Nampiofanina mahakasika ny tetikasa an-tsekoly « Mavitrika mianatra » ireo talen-tsekoly sy ireo lehiben’ny ZAP ary ireo mpikambana ao amin’ny FEFFI ao amin’ny Cisco Toliara II, Dren Atsimo Andrefana, hanatsarana ny fitantanana ny Vondron’olona ifotony ho fampandrosoana ny sekoly sy ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Nosoniavina ny fiaraha-miasa eo amin’ny […]
CHU Anosiala: olona 80 hodidina katarakta maimaimpoana
Manao hetsika fandidiana ny aretina katarakta mpahazo ny maso ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Association Pneumo nanomboka tamin’ity herinandro ity, eny amin’ny hopitaly CHU Anosiala. Maimaimpoana ny fandidiana ho an’ny olona nosafidiana 80 hiatrika izany. Aretina mpahazo ny maso mety hitarika amin’ny fahajambana ny katarakta ka ny fandidiana ihany no […]
Toetr’andro : tsy ahina ny tranga mahery vaika
Nanome toky ny mpamantatra ny toetry ny andro fa tsy hisy ny tranga mahery vaika na mihoapampana ho an’ny toetry ny andro amin’ity herinandro ity. Atmosfera tsy ho marin-toerana miampy ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimo atsinanan’ny Nosy no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny. Ny fikorontanana ao atsimon’ny Nosy […]




