Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Ho fanomanana ny “Chan” amin’ny volana febroary, efa miatrika « stage bloqué » nanomboka omaly, ny ekipan’ny Burkina Faso. Ao Dar Es Salam, ao Tanzanie, izy ireo no miatrika ity karazana fampivondronana mihiboka ity, raha ny loharanom-baovao ary efa saika feno tanteraka ireo mpilalao miatrika izany. Voatendry ny alarobia lasa teo, ny […]

Jaofera Christiane : Top 10 amin’ny “meneuses” eto Afrika

Araka ny vaovao voaray sy mahoraka eny anivon’ny tambajotran-tserasera, fantatra ireo vehivavy mpilalao afrikanina 10 voalohany “meneuses”, nanamarika iny taona 2024 iny. Nisongadina i Madagasikara satria anisan’ny tafiditra ao anatin’izany ny Malagasy mpilalao, Jaofera Minaoharisoa Christiane, izay tafapetraka eo amin’ny laharana fahadimy. Jaofera Christiane izay tena nisongadina tokoa nandritra iny […]

Taona 2025: Hianoka baolina kitra i Afrika, hisy fifaninanana miisa enina

Hiavaka ho an’ny kaontinanta afrikanina ity taona 2025 ity, raha eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena no resahina. Hianoka tanteraka ao anatin’ny baolina kitra manomboka izao volana janoary izao hatramin’ny desambra. Ho taonan’ny baolina kitra, ho an’i Afrika, ity 2025 ity. Fifaninanana goavana miisa 6 no hitranga ato anatin’ny kaontinanta, ma­ndritra […]

Famaranana ny taona : Tratra ny tanjona napetraka ho an’ny mpikarakara

Anisan’ny fety manan-danja ho an’ny sarambabem-bahoaka ny famaranana ny taona sy ny fitsenana ny taona vaovao. Nahafa-po ny hetsika ho an’ny teny anivon’ny trano filanonana, raha ny fanazavan’ny mpikarakara. Maro ny fikarakarana fety faran’ny taona teny anivon’ny trano filanonana ho an’ny teto Antananarivo. Anisan’ny nahitana izany ny tetsy anivon’ny Pk […]

TARATRY ny KANTO

Boky Ako anaty, mitantara ny fahasahiranana iainan’ny mpianatra. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny herinandro teo. Ahitana tononkalo 69, nosoratan’i Ilo Sederamanana. Nahitana tantara iray, miresaka ny fiainana ankapobeny iainan’ny mpianatra eny amin’ny Oniversite ihany koa ao anatiny. manoloana ny fahasahiranana atrehin’izy ireo, noho ny fahasarotan’ny fiainana sy ny zava-tsarotra lalovan’ny […]