Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, afakomaly, ilay vehivavy nisoloky vola roa tapitrisa Ariary tamin’ny Cash point iray tetsy Ambohipo, ny herinandro lasa teo, rehefa avy natolotra ny fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana tetsy Anosy. Tra-tehaky ny polisy teo am-pisolokiana vola tamina Cash point iray teny Ambohipo izy ny alarobia 03 jona […]
Taratra
Ambohibao – Antehiroka : fatin-dehilahy hita teo am-baravaram-pasana
Hita faty teo am-baravaram-pasana ny lehilahy iray tsy manan-kialofana, omaly, teny Morondava Antehiroka. Notrobarana tamin’ny zava-maranitra ny tendany sy ny lohany. Nahitana fatin-dehilahy iray, 45 taona, teo am-bavahadim-pasana iray, tetsy amin’ny toerana antsoina hoe Ambohimiadana, fokontany Morondava, kaominina ambanivohitra Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo, omaly maraina tamin’ny 9 ora tany ho any. Mponina […]
Tsipy kanetibe – Olon-droa miaraka : Nisongadina ny ekipan’ny Cecam Bouliste Club
Tontosa teny amin’ny Kianja Ankatso, ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena amin’ny taranja tsipy kanetibe ho an’olon-droa. Nisongadina ny Cecam Bouliste Club (CBC), nahitana an’i Hariliva (Ram’s) sy i Tendry teo amin’ny “senior”, lehilahy, izay nandrombaka ny anaram-boninahitra. Nandrasan’ny rehetra fatratra ny famaranana, nikatrohan’izy ireo tamin’i CBN, […]
SOMBIM-BAOVAO
Atleta nisongadina nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, aty amin’ny faritra Atsimo, sokajy zandriny U18 sy U20, izay natao tatsy Maorisy, ny faran’ny herinandro teo, Andrianjafy Ny Aina Anna. Nahazo medaly volamena, tamin’ny hazakazaka 400 metatra misy fefy, izy. Nahazo medaly telo moa ny delegasionina malagasy tamin’ity: volamena iray, […]
Environment Contest 3×3 : Norombahin’ny Uprim sy ny Essca ny amboara
Fahombiazana ny hetsika fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana nokarakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nisy ny fifaninanana basikety 3×3 izay niarahana nisalahy tamin’ny Federasionina malagasin’ny basikety. Fifaninanana natokana ho an’ny Oniversite ka nahatratra 91 ny ekipa nandray anjara tamin’izany. Ny ekipan’ny Uprim no nibata ny amboara […]





