Taratra

LFR 2026: Nampidinina ho 750 Ar/l ny hetra amin’ny alikaola

Nanambara ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, ny alahady 7 jona teo, fa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana mahakasika ny hetra amin’ny famokarana ataon’ny orinasa Star. Araka izany, ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny Teti­bolam-panjakana nasiam-panitsiana “LFR 2026”, nampidinina ho 750 Ar isaky ny litatra ny hetra « Droit […]

Airtel-Smmec : Fampiasana tambajotra finday miisa 800

Nohavaozina, ny 8 jona teo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Airtel Business sy ny Orinasa malagasy fitahirizam-bola sy findramam-bola (Smmec). Fiaraha-miombon’antoka mifantoka amin’ny fampiasana tambajotra, finday maherin’ny 800, hanamafisana ny serasera anatiny, handrindran’ny Smmec ny asany manerana ny Nosy. Tanjon’ny fiaraha-miasa ny hanamafisana ny fampiasana ny niomerika, ny fanatsarana ny kalitaon’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Efa misokatra ny fivilian-dalana eo amin’ny tetezana Mangapaika, amin’ny lalam-pirenena RN4, PK505, nanomboka ny alahady 7 jona teo. Tsy niandry ela, nisy avy hatrany ny asa maika nataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, hiverenan’ny fifamoivoizana amin’ny laoniny. Efa lasa avokoa ireo fiara rehetra voatery nijanona teny an-toerana. Tsiahivina fa ny sabotsy 6 […]

Cnuced-Madagasikara : Hafainganina ny fanodinam-bokatra mitondra fampandrosoana

Nandray anjara tamin’ny loabary an-dasy ny sabotsy teo, niaraka tamin’ny Kaonferansin’ny Firenena mikambana ho an’ny Varotra sy ny fampandrosoana (Cnuced) ny minisitry ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA), Raminto Gaëtan. Nasongadiny ny fanodinam-bokatra mitondra fampandrosoana. Fivoriana teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF). Anisan’ny tena noresahina ny […]

INDRAY MIJERY

Nanadio teny amin’ny Tsenan’Andra­voa­hangy ny CUA, ny RF2, ny lehiben’ny Tsena ary ny sampana vonjy voina. ‎Nesorina ireo fako sy loto niangona, nodiovina ny manodidina ny tsena. Ho fanatsarana ny fahadiovana sy hitandroana ny fahasalaman’ny mpivarotra sy ny mpanjifa izany. Tsy mitsahatra ny fanangolena mahazo ireo olona manana toe-tena varira. […]