Voafehin’ny lalàna tsy hitsabaka sy hanana fiandaniana politika ary manana ny fitsipika mifehy ny asa ny mpiasam-panjakana. Voakasik’izany ny ao amin’ny sampandraharahan’ny fadin-tseranana. Efa nampitandrina ny mpiasa ny ao amin’ny fitantanana foibe mba tsy ho voasariky ny adilahy politika. Nambarany koa fa, «tsy ara-dalàna ny fanambaran’ny fiombonan’ny sendikàn’ny mpiasa SSM, […]
Taratra
Fananganana trano : mbola latsaka ny 5% ireo manatona mpahay mari-trano
Ankavitsiana ny olona mahafantatra ny andraikitr’ireo matihanina amin’ny mari-trano eto Madagasikara. Miantoka ny kalitaon’ny fananganana trano izy ireny sy mampanara-penitra ny fotodrafitrasa miorina. Vitsy mpahafantatra ny andraikitr’ireo matihanina amin’ny mari-trano (architectes) eto amintsika. Manan-danja ny asan’izy ireny eo amin’ny sehatry ny fananganana trano. Mamakafaka sy mandalina ny tetikasa izy ireo […]
INDRAY MIJERY
Ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, misahana ny paikady amin’ny fitantanana ny akora simika ao Ampandrianomby, varavarana faha-115 no ahazoana ny fanazavana momba ny firamainty. Sampandraharaha mahakasika ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana ao Tsaralalana, varavarana faha-141 ihany koa afaka manome torohevitra. Nanova endrika ny tanànan’i Tsiroanomandidy […]
Seces sy mpianatra: “Tsy hisy ny taona fotsy”
Nihaona ny mpitarika ny Seces, sampana Antananarivo, sy ny solontenan’ny mpianatra amin’ny oniversiten’Antananarivo, nitafa momba ny tohin’ny hetsika sy ny tontolon’ny fampianarana ambony. Voaresaka manokana ny tsy hisian’ny taona fotsy eny Ankatso satria samy tsy mahita tombontsoa amin’izany ny mpianatra sy ny mpampianatra mpikaroka. Hiroso amin’ny fandoavana ny saran’ny ora […]
Mpamonjy voina : manentana ny mponina hisoroka ny loza
Nahitana trangana firehetana misesisesy tato anatin’ny fari-piadidian’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra tato ho ato. Anisan’izany, ny tetsy Mahamasina, Behoririka… vao tamin’ity herinandro ity avokoa. Manoloana izany, manao antso avo amin’ny mponin’Antananarivo, isam-batan’olona, isan-tokantrano, isaky ny toeram-piasana ny Vondron’ny sampana mpamonjy voina. Anisan’izany ny handraisana fepetra tandrify ny tsirairay amin’ny fisorohana ny loza […]




