Ankoatra ny firoboroboan’ity taranja ity eto Madagasikara, mbola ao anatin’ny fampivelarana azy kokoa ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao, indrindra amin’ity taona 2025 ity. Maro ny hetsika vaovao sy ny fanatsarana entina amin’ny efa natao. Voalohany amin’izany ny hisian’ny sokajim-pifaninanana amin’ny teny anglisy mandritra ny fifaninanana nasionaly. Eo ihany koa ny […]
Taratra
Tanteraka ny vina: Nivoaka tokoa ny « Valihan’Ikaky »
Niavaka ny nanombohana ny taona 2025. Nampahafantarina sy naseho, omaly, teny amin’ny foiben’ny toeram-pikarohana sy fampianarana momba ny mozika, Valiha Académie (Itaosy) ny fivoahan’ilay boky « Valihan’Ikaky » laharana voalohany. Boky ahitana fizarana telo miavaka tsara. Fizarana voalohany, maneho ny momba ny valiha malagasy. Fizarana faharoa, ny solfezy ary ny fizarana fahatelo, […]
Fivelaran’ny zavakanto: Hiampy ny sekoly fampianarana dihy
Vaovao nisantaran’ny tontolon’ny zavakanto ny taona 2025 ny fanamafisana fa hisokatra ilay ivontoerana hoeti-mampianatra momba ny dihy. Ety am-piandohana, ny dihy malagasy no omena vahana. Tsy voatery ho dihy efa nisy hatramin’izay fa mety ho noforonina taty aoriana no ampianarina eny an-toerana, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Ho voatazona hatrany, rahateo, […]
Esorina ny tahotra: Ilaina ny fahaiza-mivarotra kolontsaina sy zavakanto
Hatramin’izao, tsy mbola tazana mazava ny fiantraikan’ny fananan’ny Malagasy ireo kolontsaina sy zavakanto maro ao aminy. Fahantrana aza no iainan’ireo izay mieritreritra fa hanam-bola sy hanan-karena amin’ny alalan’ny zavakanto sy kolontsaina. Satria, mbola lavitra ny mpanjifa ny tolotra omen-dry zareo ireny. Ekena, raha jerena amin’ny maso tsy miangatra, mihena miandalana […]
Fetin’ny faran’ny taona : Efatra no maty, 251 nozaham-pahasalamana tao amin’ny hopitaly CHU JRA
Nahatratra 251 ireo olona nozaham-pahasalamana teo anivon’ny hopitaly CHU JRA nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao 2025 lasa teo. Efatra tamin’ireo maty teo anivon’ny hopitaly raha toa ka telo ireo maty avy any ivelany. 229 teo anivon’ny sampana vonjy aina ary 22 teo anivon’ny sampana famelomana aina. Raha […]