Taratra

Fanadihadiana an-tokantrano-MICS 7 : Mampanahy ny fanabeazana, faha­sa­lamana ary ny fanjarian-tsakafo

Natolotra omaly, teny Alarobia, ny valin’ny fanadihadiana notontosaina teny anivon’ny tokantrano mahakasika ny zo sy ny filana fototra ho an’ny ankizy sy ny vehivavy (MICS fahafito). Ahafantarana ny zava-misy amin’ny lafiny sosialy, indrindra ny ankizy sy ny vehivavy, ny fanadihadiana. Ahafahana mandray fanapahan-kevitra sy mametraka paikady entina manatsara ny fiainan’ny […]

TARATRY ny KANTO

Seho tsy nampoizin’ny maro ny an’i Lalatiana, omaly. Nandalo kely an-tanindrazana, ary tsy nieritreritra ny hiaka-tsehatra izy. Noho ny fangatahana manokana anefa, nisy ny fiarahana tampoka tetsy amin’ny Piment Café, halina. Na alatsinainy aza, tsy nanakana ireo tena mpankafy tonga nameno ny efitrano izany. Fotoana mamy, nanararaotana ireo hira tsy […]

«Ilay dihy…Lady »: Seho hiverenan’i Jiary an-tsehatra

Misy mahatsiaro ny « Da­moiz’elle » ? Hiran’ny tarika Moajia anisan’ny be mpankafy. Mpamoron-kira, mpitendry ary nitarika ny Moajia i Jiary na i Jia tamin’izany fotoana. Efa aman-taonany izay no nijanona ny tarika, ary samy nanana ny lalany teny ireo mpikambana. Nangingina teny koa Ratefinanahary Jo­ha­ry na i Jiary, tao anatin’izay fotoana izay. […]

FJKM Amparibe Famonjena : 25 taona ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF)

Fanatanjahantena, kolontsaina, fanabeazana ho olom-banona, sns. Samy ahafantarana sy mampisongadina ny RFF Amparibe Famonjena avokoa ireo. Tsy holalovam-potsiny ny faha-25 taonany. Sampana iray mikarakara ny tanora amin’ny fialamboly sy fanatanjahantena, ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena, ny Ran­tsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF). Feno 25 taona ny nitsanganany, izay nambaran-dRasolonjato Verohanitra, fa […]

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra tampoka ho 78,54 dolara ny vidin’ ny solika 1 barila (= 219 litatra), eo amin’ny tsena iraisam-pirenena Brent, omaly 2 marsa. Noho ny adin’i Iran sy ny israely ary Etazonia no antony. Nahatratra 68 dolara ny vidiny ny 16 febroary, nisondrotra ho 72 dolara ny 1 marsa, ary izao […]