Taratra

Lycée Andranonahoatra : nametrahana fotodrafitrasa ahazoana rano madio

Niorina ny taona 2000, tany La Réunion, ny fikambanana Miaro, mitsinjo ireo taranaka malagasy nonina voalohany tany an-toerana. Nitarina taty Madagasikara ny asa ka sady manampy ny sekoly izy ireo no manohana ny tantsaha koa.  Sahirana amin’ny fahazoan-drano ny mponina eny amin’ny cité akany Sambatra sy ny manodidina rehetra satria […]

Seces Sampana Antananarivo: manameloka ny fitanilan’ny mpitantana

Mitohy ny tolona satria tsy mbola feno ireo fepetra ahafahan’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra miverina amin’ ny asa fampianarana, araka ny fanambaran’ny biraon’ny Se­ces, sampana Antananari­vo, ta­o­rian’ny fivorian’izy ireo. Ma­na­me­loka ny fanaovana didy jadona sy gaboraraka ary ny fitanilana misy eo amin’ny fitantanana ny anjerimanontolo izy ireo. Neken’ny […]

Tatitry ny Instat : nihena ny tahan’ny fiakaran’ny vidim- piainana

Nahitana fihenana 8,5% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana raha ny antontanisa nivoaka. “Nihena izany raha oharina tamin’ny volana avrily teo. Mbola misy fiakarana kosa ny vidim-bary eny an-tsena, indrindra fa ny vary hafarana”, hoy ny tale jeneraly Instat, Ndremitsara Tarzan. Nambarany ho anton’izany ireo mpanararaotra ka nian­tsoany ny tokony hanamafi­san’ny tomponandraikitry […]

Psikology Andrianilaina Koloina: Mampikatso fiainan’olona ny fanaovana «harcèlement»

Ahitana ny «harcèlement» ny sehatra maro. Mi­te­ra­ka fikatsoana fiainan’olona maro anefa izany na an­kizy na lehibe. Mitarika hatrany amin’ny famonoan-tena mihitsy izany ho an’ireo sasany. Ha­naovan’ny Holafitry ny psykology loabary an-dasy ny momba io lohahevitra io amin’ny herinandro. Hiresaka momba ny «harcèlement» na ireo karazana herisetra ny Holafitry ny psikology, […]

TARATRY ny KANTO

Tsy manao ny “Ka tianao va?” intsony i Judicaël. Niteraka resabe tanaty tambajotran-tserasera ny fitarainan’i Thierra Bruno sy ny zanany fa tsy nanaja ny fifanarahana i Judicaël, nampindramina ilay hira “Ka tianao va?”. Taorian’ny fifampiresahana, nifanaraka ny roa tonta fa tsy hanao “cover” ity hira ity intsony ny tovolahy. Mila mifanaraka […]