Taratra

Tovovavy novonoina : notrobahana zava-maranitra ny sofiny

Maty nisy namono ny tovovavy vao 23 taona, teny Antohibe Ambohidratrimo, omaly. Niboridana ny tapany ambany, novelesina ny lohany, natsipy teny amoron’arabe ny razana. Alahelo sy hakiviana ny an’ny fianaka­vian’Itom­po­kovavy F. Tiana, tovo­vavy 23 taona, hita faty teny Antohibe Ambohidratrimo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 5 ora. Niala tao an-trano, […]

“World Jiu-Jitsu Championship” : efa nahavita fisoratana anarana ny solontenan’ny Malagasy

Andro vitsy tsy hanombohan’ny fifaninanana “World Jiu-jitsu Championship” hatao any Abu Dhabi, efa nahavita fisoratana anarana avokoa ireo Malagasy mpikatroka 13 mianadahy hifaninana amin’izany. Hiditra amin’ny fanaovana ny Visa kosa izy ireo amin’ity herinandro ity. Namba­ran’ ny teo anivon’ny federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu anefa fa mbola sarotra ny hoenti-ma­nana amin’ity fifaninanana […]

SOMBIM-BAOVAO

Judo. Malagasy mpilalao 3 no handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Judo, ho an’ny sokajy Vétérans. Ahitana an-dRasoanaivo Razafy Luc, Rasolondraibe Mamy Don­go­zo ary Heriniaina Samuel Vestalys. Fifaninanana hatao any Abu Dhabi, ny 31 oktobra hatramin’ny 3 novambra izao. Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tany Toliara, ny […]

Baolina kitra : lasa any Frantsa ny Coach Rôrô hijery mpilalao vaovao

Nanohy ny diany any Frantsa, Rakotondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barea de Madagascar. Hitily mpilalao vaovao afaka hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy ny tenany, mialoha ny hiatrehana ireo lalao fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2026”. Taorian’ny fahavitan’ireo lalao firahalahiana roa, notanterahina tany Maroc, nandritra ny datin’ny FIFA, fantatra, araka ny fampitam-baovao, fa tsy […]