Tonga tany amin’ny faritra Fitovinany ny fikambanan’ny olona manana fahasembanana avy ao amin’ny Afham, foibe avy aty Antananarivo, izay notarihin’ny filohany, Razafinjato Ferla, nitsidika ireo olona misitraka ny tetikasa “Zaramira”. Nidina tany amin’ny kaominina Lokomby, Tataho ary Mitanty izy ireo. Nanao fakan-kevitra isam-paritra momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ireo […]
Taratra
Fotoam-pahavaratra : ahina ny haintany any atsimo, tondradrano any avaratra
Hifanipaka tanteraka ny mety ho fitrangan’ny toetr’andro ho an’ny tapany atsimo sy avaratry ny Nosy amin’ity fotoam-pahavaratra ity. Ahina ny haintany any atsimo, ary mampanahy ny tondradrano any avaratra. Ny tranga El Nino no mamaritra ny toetry ny andro amin’izao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao, raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny famantarana ny toetry […]
Ihosy : notokanana ny QG an’ny TGV
Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ao Ihosy ny QG “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina” izay ahitana ny Upar, IFI, CS-ANR, AFF, T2MI, RPR, FIZAFAFI, TMH, FREEDOM sy ireo vondrona antoko hafa. Tanjona amin’izany ny fampandaniana ny laharana fahatelo amin’ny fifidianana izay hatao ny 16 novambra 2023 ho avy izao. Vahoaka […]
Edugascar – Filatex : nanome tohana ho an’ireo vahoaka sahirana
Nanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana tao Ambatondrazaka nandritra ny efatr’andro (9 – 13 oktobra 2023 lasa teo) ny ekipan’ny Edugascar izay miara-miasa akaiky amin’ny vondrona Filatex sy ny Enelec. Dokotera 19 mianadahy no tonga tany an-toerana nanao fizaham-pahasalamana ho an’ireo vahoaka sahirana. Teo ireo nanana olana momba ny maso, teo koa ireo […]
INDRAY MIJERY
Natolotry ny minisitry ny Fampianarana teknika B ny fahazoan-dalana ara-panjakana hisokafan’ny ivontoeram-piofanana Axian Diploma, etsy Andraharo, ny herinandro lasa teo. Enina ny lalam-piofanana atolony ary manaraka ny «formation professionnelle qualifiante ». Mivoaka ho teknisianina avy hatrany ireo mpiofana. Nisitraka fitaovam-pianarana ahitana kahie, penina, aron’akanjo, pensilihazo ary fitsipika ireo mpianatra ao […]




