Taratra

PFSCE : tokony handanjalanja ny fitaovana ampiasainy ny mpitandro filaminana

Manoloana ny tranga niseho teny Itaosy, ny herinandro lasa teo, nandefasan’ny mpitandro filaminana baomba mandatsa-dranomaso hanaparitahana ireo olona nanao diabe, nifanila tamin’ny CSB II ny toerana nilatsahany ka nanempotra ireo zaza tao anatiny. Nana­meloka ny fampiasana ny fitaovana tahaka ireny manakaiky toeram-pianarana, toeram-pitsaboana na faritra ahitana ankizy ny Vovonan’ny firaisamonina […]

Salon international de l’habitat: Maherin’ny 15 000 ireo mpitsidika

Tratra ny tanjona tamin’ny fikarakarana ny « Salon internalational de l’habitat » (SIH) andiany faha-25, natao tetsy amin’ny Forello, expos Tan­jom­bato. Mihoatra ny 15 000 ireo mpitsidika tonga teny an-toerana nandritra ny efatr’andro nanaovana ny hetsika. « Samy afapo na izahay mpikarakara na ireo mpandray anjara. Nahita tombony sy nahita lalam-barotra ary nahalafo […]

Salon de la créativité « Voatra »: haneho ny fivoaran’ny vokatra tao anatin’ny 10 taona

Hanomboka rahampitso ka hatramin’ny sabotsy 28 oktobra izao ny “Salon de la créativité Voatra”, andiany faha-10, atao etsy amin’ny kianja Barea Ma­hamasina. Hetsika hanehoana ny fivoaran’ny vokatra nataon’ireo mpandraharahara tohanan’ ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostrian’Antana­arivo (CCIA). “Tanjona ny hampahafantatra ireo orinasa madinika sy salan­tsalany nahavita nanao zavatra sy nampiroboroboro […]

Voina tetsy Behoririka: hamoraina ny taratasin’ireo mpivarotra

Taorian’ilay haintrano goavana tetsy Behoririka, ny zoma alina teo, tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy ny talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana eto Analamanga, Natolo­triniaina Herizo Fanomezantsoa. Naneho ny fahavononana hanampy ireo mpivarotra tra-doza ity tomponandraikitra ity sady nanome toky fa hamoraina ny fanamboarana ny […]

Vidim-piainana: nihena hatrany amin’ny 8,5% ny taham-piakarana

Miantraika betsaka eo amin’ny toekaren’ny mponina ny vidim-piainana. Tamin’ity volana oktobra ity, nidina ho 8,5% ny taha, araka ny antontanisa navoakan’ny Instat. Nahitana fihenana raha oharina tamin’ny volana avrily teo ny fiakaran’ny vidim-piaianana eto Madagasi­kara, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antotan’isa (INSTAT), Ndremitsara Tarzan. Nilatsaka ho 8,5% […]