Misy antony sy dikany ary vokany politika avokoa izay atao sy lazaina amin’izao? Indrindra ho an’ireo mpanao politika… Tsy inona fa fihazakazahana amin’ny hahazoana fanjakana amin’ny alalan’ny fifidianana. Amin’izany, misy ny liam-pahefana mihoa-pefy na mihazakazaka ivelan’ny lalana. Izay ny zava-misy sy iainana amin’izao? Misy tonga amin’ny fankahalana olona fotsiny […]
Taratra
Kandidà Rajoelina Andry : « Laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka»
Vahoaka marobe no nanoina ny antson’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, afakomaly, tany Mahajanga. «Ho laharam-pahamehantsika ny sosialim-bahoaka », hoy izy. Nanohy ny fampielezan-keviny tany an-drenivohitr’i Boeny ny kandida laharana fahatelo, Rajoelina Andry, afakomaly. Vahoaka an’alina no nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina Amborovy, nanaraka ny diabe nihazo ny kianja Rabemananjara, ary […]
Soavinandriana : dahalo telo matin’ny fitsaram-bahoaka
Niara-matin’ny fitsaram-bahoaka ny dahalo telo lahy mpangalatra omby tao Ambohipeno, fokontany Mahazina, kaominina Ankisabe, distrika Soavinandriana, ny alakamisy 19 oktobra teo. Nentin’izy telo mirahalahy ireo ny omby iray tao amin’io fokontany io. Nanara-dia tamin’izany ny fokonolona nampian’ny miaramila. Nanidy ny kizo ahina handosiran’ireo olon-dratsy kosa ny zandary. Latsaka afovoany ireo […]
TSELATRA
Maty voatifitry ny polisy ny dahalo mpangalatr’omby iray tao amin’ny fokontany Anjoro, kaominina ambonivohitra Mahabo, afakomaly. Naka omby miisa valo ny dahalo dimy lahy nitam-piadiana. Raikitra ny fanarahan-dia ka niafara tamin’ny fifandonana izany. Tafaverina amin’ny tompony kosa ireo omby. Lehilahy iray, nahatrarana rongony 67 kg, saron’ny mpitandro filaminana tao Mahabodo, […]
Behoririka: tsena 200 mahery lasa lavenona
Nandravarava ny afo tetsy Behoririka, ny alin’ny zoma 20 hifoha ny sabotsy 21 oktobra teo. Tsena an-jatony nivadika lavenona. May ny tsena hazo 200 isa sy tsena 30 tao anatin’ny tranombarotra lehibe iray “Tsena maitso”, tetsy Behoririka, ny alin’ny zoma teo. Naharitra 7 ora mahery ny famonoana ny afo nataon’ny […]




