Taratra

Hetsika teny Itaosy : zaza roa safotry ny baomba mandatsa-dranomaso

Nirefodrefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso tetsy Itaosy nandritra ny hetsik’ireo kandidà 11 sy ny mpanara-dia azy, omaly. Nisy ireo torana sy naratra. Tamin’ny 12 ora sy 37 minitra katroka, nirefotra voalohany ny baomba mandatsa-dranomaso na­taon’ny zandary nanao sakana tetsy Betavoahangy Itaosy, omaly. Niainga teo Antanika­tsaka ireo kandidà 11 sy ny mpomba azy […]

Vavatenina : lehilahy iray matin’ny daroka

Lehilahy voatondro ho mpamaky trano matin’ny daroka tao anaty fonjan’ny kaominina ambanivohitr’Andasibe, distrikan’i Vavatenina, faritra Analanjirofo, ny alahady 15 oktobra teo. Nosamborin’ny eo anivon’ny kaominina ao an-toerana izy, ny tolakandro io alahady io. Notazonina tao amin’ny efitranokely “fonjan’ny kaominina”, araka izany, io voalaza ho mpangalatra io. Nohazonin’ny mpiasan’ny kaominina tao izy. Tetsy ankilany, […]

TSELATRA

Vehivavy mpivarotra rongony saron’ny polisy tao Ankaraobato, afakomaly. Nahitana fonosana zava-mahadomelina 200 isa tao amin’io voasambotra io. Nilanja 2 kg io rongony nokasaina hamidy amin’ireo mpidoroka ao an-toerana io. Naiditra am-ponja vonjimaika. Mpangalatra kisoa iray voasambotry ny zandary tao Faratsiho, ny talata 17 oktobra teo tamin’ny 11 ora atoandro. Nojaikoin’ny […]

Nandeha nitaky trosa : vehivavy mpandraharaha maty notifirin’ny jiolahy

Renim-pianakaviana mpandraharaha iray 49 taona, tompona tranombarotra lehibe ao 67 Ha, lavon’ny balan’ny jiolahy tao amin’ny fokontany Botanika, Toamasina, afakomaly alina tamin’ny 7 ora sy sasany. Maty tsy tra-drano ny mpandraharaha iray notifirin’ny jiolahy, ny alin’ny alarobia teo, tao amin’ny fokontany Botanika, faritra fisarahan’ny kominina Toa­masina ambonivohitra sy Toa­masina ambanivohitra. Ha­moaka […]