Hetsika teny Itaosy : zaza roa safotry ny baomba mandatsa-dranomaso

Nirefodrefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso tetsy Itaosy nandritra ny hetsik’ireo kandidà 11 sy ny mpanara-dia azy, omaly. Nisy ireo torana sy naratra.

Tamin’ny 12 ora sy 37 minitra katroka, nirefotra voalohany ny baomba mandatsa-dranomaso na­taon’ny zandary nanao sakana tetsy Betavoahangy Itaosy, omaly. Niainga teo Antanika­tsaka ireo kandidà 11 sy ny mpomba azy izay nilanja sora-baventy tamin’ny 11 ora sy fa­hefany. Nikasa hamonjy an’ Itaosy Cité izy ireo ka nanao diabe nitandahatra niakatra an’Andranona­hoatra. Vantany nigadona tao amin’ny fiakarana eo Betavoahangy, nisy ny sakana nataon’ny mpitandro filaminana. Nikiry handeha ho any amin’ny Cité anefa ireo mpanohana ny kandidà miisa 11 sy ireo mpomba azy. Na­nome fampitandremana, ara­ka izany, ny zandary amin’ny tokony hiparitahan’ireto farany. Poa toy izay, nipoaka ny lakrimozenina. Nizara telo ny fokonolona nanao ny hetsika. Niverin-dalàna ny sasany. Nanao tongotra an-katoka nihazo ny Cité ny ampahany. Tafiditra tany an-dakilasy ny setroky ny lakrimozenina. Mpianatra sy ramatoa iray safotra.

Niafara tamin’ny tora-bato
Nifampihantsy tamin’ny mpitandro filaminana nandrava ny hetsika ny andiana tanora maromaro teo Itaosy Cité, tokony tamin’ny 1 ora sy 30 minitra tolakandro. Tsy nanaiky namparitahan’ny zandary tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso izy ireo. Raikitra ny tora-bato. Tetsy andaniny, niezaka nandrava ny fikomian’ireo mpitokona sasantsasany tamin’ny fanapoahana lakrimozenina indray ny zandary. Nipaka tany amin’ny CSB II anefa ny setroka ka tezitra ny fokonolona.

Tsiferana R/ Lin/ Fitia

Partager sur: