Taratra

Mitovy fa tsy sahala

  Zava-dehibe ny fahitana ireo mpitandro filaminana niditra an-tsehatra mialoha, nisoroka izay mety ho fifandonan’ny samy vahoaka nanao fihetsiketsehana. Raha maty henjika ny zandarimariam-pirenena nandritra ny herinandro vitsy, nahazo dera sy fankasitrahana tamin’ny mpanohana ireo fiombonamben’ny kandidà kosa omaly. Vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ary miverina amin’ny vahoaka ny teny niverimberina. […]

Fitaterana : fanabeazana ho an’ny mpitatitra

Fanaon’ny Vondron’ny mpitatitra GPM, isaky ny volana oktobra toy izao, ny manamafy ny fanentanana ny mpitatitra sy ny mpampiasa lalana. Tanjona ny hitandreman’ny mpisehatra rehetra, mba hisorohana ny lozam-pifamoivozana. Manao hetsika manokana, ho fanentanana sy fanabeazana ny mpisehatra amin’ny fitaterana sy ny mpampiasa lalana ny Vondron’ny mpitatitra eto Madagasikara (GPM), […]

Ambato Boeny : dahalo raindahiny maty voatifitra

Maty nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny fokontany Ampasi­tapaka, kaominina Anjiajia, distrikan’Ambato Boeny, ny alatsinainy 16 oktobra teo. Naka omby tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy maromaro ary nivimbina fitaovam-piadiana. Raikitra anefa ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana rehefa lasa ny omby. No­sakanana […]

TSELATRA

Dahalo iray tamin’ireo folo lahy nanafika tao amin’ny fokontany Andaro, Isoanala, maty voatifitry ny mpitandro filaminana afakomaly tamin’ny 11 ora alina. Nikasa hanafika tokantrano iray tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy no naharay antso ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifandonana ka lavo ny iray tamin’ny dahalo. Mpangarom-paosy iray nanararaotra nanao […]

Taksiborosy sy kamiao nifandona : maty tsy tra-drano ny mpamily iray

Nifandona ny fiara mpitatitra olona sy ny kamiao lehibe iray, omaly, teny amin’ny lalam-pirenena fahafito. Vokany, olona roa namoy ny ainy ka mpamily ny iray. Nifatratra tamin’ny kami­ao­be nifanoha-dalana taminy ny taksiborosy iray tao Ikianja, kaominina Ilaka Centre, eny amin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly tolakandro. “Niainga tao Ambositra nikasa hihazo an’i […]