Taratra

Centre d’enfant Mandrosoa : nahazo tohana avy amin’ny vondrona Filatex

Nankalaza ny faha-10 taona nijoroany ny foibe fanohanana an-tsekoly Mandrosoa na Centre d’enfant Mandrosoa eny Vontovorona, omaly. Na­notrona izany ireo olona maro efa nahazo tombontsoa, ny avy amin’ny ONG Yamuna ary ny kaosilin’i Espagne, Has­naine Yavarhoussen. Nahazo mari-pankasitrahana amin’ny maha ray mpiahy ny ONG azy ny kaosilin’i Espagne. Noto­lorana ireo […]

Ady amin’ny kolikoly : mpanao gazety 120 nisitraka fiofanana

Tafakatra 120 ireo mpanao gazety efa nisitraka fiofanana niarahana tamin’ny komity mitandro ny fahitsiana (CSI), raha ny nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety, Monica Rasoloarison teny Amboanjobe-Andoharanofotsy, ny 11 oktobra lasa teo. Manoloana ny kolikoly izay tsy mety foana eny anivon’ny sampandraharaha maro isan-karazany amin’izao fotoana, mpanao gazety 17 avy […]

Fihantsiana sy fanapotehana fiara : nitory eny amin’ny zandary ny vondron’ny kandidà

Tsy nipetra-potsiny fa nitondra ny raharaha eny amin’ny mpitandro filaminana ny vondron’ireo kandidà 11. Nambaran’izy ireo, omaly, tetsy Antaninarenina, fa manameloka ny tranga niseho tetsy Andavamamba izy mirahalahy avy. Nitondra ny tenin’izy ireo tamin’izany ny kandidà, Andrianainarivelo Hajo ka nilaza fa efa nametraka fitarainana eny amin’ny tobin’ny zandarimariam-pirenena izy ireo, […]

Mandritra ny fidinana eny an-kianja : mila manaraka ny lamina ny mpanao gazety

Ny lalàna no arofanina ho an’ny asa fanaovan-gazety ao anatin’izao savorovoro politika sy krizy lalovan’ny firenena izao, hoy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety, Rasoloarison Harifeno Monica, afakomaly tetsy Ambodivona. Manana ny lalàna 2020/ 006 tamin’ny 1 septambra 2020 iny ny mpanao gazety mifehy ny serasera amin’ny haino vaky jery. […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, hatao ny zoma 20 oktobra ho avy izao, ny manasa-dalana, Rugby Mondial 2023, any France. Ny ekipam-pirenen’i Argentine sy i Nouvelle Zélande no hifanandrina amin’izany. Ny sabotsy ho avy izao, hifampitana amin’i Angleterre i Afrika Atsimo Efa tafita any amin’ny Euro 2024, […]