Taratra

Nosy Boraha : maherin’ny 25 000 ny mpizahatany tonga

Mahavelombolo ny mpiantsehatra eo amin’ny sehatry ny fizahantany ao Ste Marie ny vokatra azo tamin’ity taona ity. Ankehitriny, mihoatra ny isan’ny mpizahatany tamin’ny 2019 ireo mpitsidika tonga any an-toerana. Manomboka mahazo ny ovam-pivoarana (dy­na­misme) toy ny tamin’ny taona 2019 mialohan’ny krizin’ny Covid-19 ny sehatry ny fizahantany ao amin’ny Nosy Boraha […]

Sarintsarina fakana an-keriny : mpanampy vavy sy lehilahy iray voasambotra

Voasambotry ny zandary ny vehivavy sy lehilahy iray, niray tsikombakomba tao Antsirabe tampon-tanàna, ny 13 oktobra teo. Nirahan’ny mpampiasa azy hanatitra entana tany Anjoma Ramar­tina io vehivavy io, ny 11 oktobra teo. Tsy niverina intsony anefa io mpiasa vavy io ary tsy tratra antso. Roa andro taorian’io, tratra antso tampoka ary nilaza fa nalain’ny […]

Talen-tsekoly novonoina : notsatotsatohana antsy tamin’ny lohany

Efa tsy nisy aina intsony no hitan’ny fokonolona manamorona  ny lalam-pirenena fahefatra ny “proviseur” an’ny lisea iray anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo, ny zoma 13 oktobra teo. Nahitana tsatok’antsy ma­romaro ny vatany. Tsindron’antsy miisa enina sy daroka tamin’ny loha no namonoan’ny olon-tsy fantatra ny “proviseur”  iray tao Ankarefo, fokontany Ambohi­miadana, kaominina Ampano­tokana, distrika  Ambohidratri­mo, ny […]

TSELATRA

Lasan’ny jiolahy mpangalatra voamaso indray ny mason’ny vehivavy roa tany amin’ny kaominina Ejeda, distrikan’Ampanihy, ny sabotsy maraina teo. Namoy ny ainy ny vehivavy iray noho ny ratra mafy nahazo azy. Ny iray kosa mbola manaraka fitsaboana. Fantatra fa mirongatra izaitsizy ny halatra voamaso amin’iny distrika iny. Voasambotry ny zandary avy […]

ITF World Tennis Tour Junior : nahazo medaly volamena roa ny Malagasy

Nifarana omaly zoma, teny amin’ny kianja COT Ilafy, ny dingana faharoan’ny fifaninanana “ITF World Tennis Tour”, sokajy “junior” lahy sy vavy. Nahazo fandresena roa ta­min’ireo famaranana efatra niadiana ny Malagasy. Ani­san’izany ny teo amin’ny sokajy lehilahy olon-tokana. Adin’ny samy Malagasy ny famaranana. Voahosotra ho tompondaka Andriantefihasi­na Mirija, nandresy an-dRa­kotomalala Mahefa […]