Mahoraka ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny lalao baolina kitra. Iza no tsy miresaka izany na any anaty birao, ny mpitaingin-tamboho, ny mpandeha taxi-be, eny fa ny olona tsy manan-kialofana toy ny mpangataka aza. Tsy voatery nahita tamin’ny vata fahitalavitra vao afaka « mitatasika ». Resaka miampitampita dia efa mampiady ambiansy […]
Taratra
Fanondranana Letisia: notorin’ny GEL i Ketakandriana
Voaantso teny anivon’ny polisy ekonomika Anosy, ny Tale mpanatanteraka eo anivon’ny Transparency International Initiative Madagascar, Ratoa Ketakandriana Rafitoson, omaly. Mpitory ny vondron’ny mpanondrana Letisia na ny GEL. Nampanatsoin’ny teo anivon’ny polisy ekonomika, etsy Anosy ny tale mpanatanteraka eo anivon’ny Transparency International Initiative Madagascar na ny TI-IM, Ratoa Ketakandriana Rafitoson, omaly. […]
Kaominina Mananjara: efa-dahy tratra teo am-pandroahan’omby
Tafiditra anatin’ny hetsika ataon’ny zandary ny mandrava tambajotrana mpangalatr’omby eto amin’ny Nosy. Nisy, araka izany, voasambotr’ireo zandary miasa ao amin’ny distrikan’i Mahitsy. Ny 12 novambra teo, nisy namoaka ireo omby telo tao am-pisoko tao amin’ny fokontany Ankeniheny Alarobia, kaominina Mananjara. Natao ny vela-pandrika. Natomboka ny fanarahan-dia sy ny angom-baovao rehetra. […]
Varotra rongony: mpamatsy mpianatra tra-tehaky ny polisy
Voasambotra taorian’ny vela-pandriky ny polisy ilay lehilahy isan’ireo mpivarotra rongony amin’ny mpianatra eto an-drenivohitra. Tratra, afakomaly tolakandro, teny Ambohijatovo izy rehefa nahazoana fitarainana maro samihafa. “Isan’ireo mpamatsy rongony amin’ireo mpianatra manodidina ny sekoly eny Amparibe, Mahamasina sy Ampefiloha sy ny manodidina ity lehilahy ity”, hoy ny polisim-pirenena. Vokany, mitaraina mafy […]
Toamasina: mpanao gazety voatrobaka antsy
Tsy mandry fahalemana i Toamasina. Lasibatra ny mpanao gazety iray miasa amina fahitalavitra tsy miankina manana foibeny tao Antananarivo miaraka amina vady aman-janany indray, ny alatsinainy 21 novambra, teo anoloan’ny tsenan’ Ambolomadinika tokony ho tamin’ny 6 ora sy 30 minitra. Nivoaka kely ny tokantranony izy telo mianaka mba hampiasa vantana […]