Taratra

Kandidà Andry Rajoelina : “Hanova ny fiainan’ny vahoaka isika”

Nitohy tao Port-Bergé indray omaly, ny fihaonan’ny kandidà laharana fahatelo amin’ny vahoaka. Tsy nahasakana izany ny hafanana hatrany amin’ny 37° any an-toerana. «Porofon’ny fitiavan’ ny vahoaka an’i Andry Rajoelina izany ary i Andry Rajoelina koa tia ny vahoakan’i Port- Bergé… Tanjontsika ny hanova tanteraka ny fiainan’ny vahoaka, indrindra isika eto […]

Tselatra

Arahi-mason’ny fitsarana, Randriamasinoro Rina, mandra-piandry ny fitsarana azy ny 31 oktobra izao. Niakatra ny fampanoavana tetsy Anosy, omaly ny tenany ary nalaina am-bavany. Tsiahivina fa nohazonina teny Fiadanana, nanomboka ny 2 oktobra teo izy, rehefa nosamborina tetsy Analakely.   Dahalo telo lahy voasambotry ny zandary tao Fiadanana, kaominina Tsiafahy, ny […]

Arivonimamo: dahalo raindahiny maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny zandary ny dahalo ikoizana amin’ny halatra omby tao Ampanazava, fokontany Antsampandrano, kaominina Amboanana, distrikan’Arivonimamo, afakomaly. Nanao ny asa ratsiny niaraka tamin’ny dahalo efa-dahy ka nanaovan’ny mpitandro filaminana fikarohana nanomboka ny 20 septambra lasa teo. Sarona ny iray ka efa namita sazy any am-ponja.  Namoahana didy fikarohana kosa ireo […]

Fifandonana mahery vaika: zandary iray maty voatifitry ny dahalo

Zandary mpiana-draharaha iray maty voatifitry ny dahalo, nandritra ny fifandonana mahery vaika, tao amin’ny fokontany Bemahogo, kaominina  Ankaraobato,  distrika Marovoay, ny alin’ny alakamisy 12 hifoha ny zoma 13 teo.  Nanara-dia dahalo mpangalatra omby niaraka tamin’ireo namany ity zandary ity. Nitondra fitaovam-piadiana koa anefa ireo olon-dratsy. Nandritra ny sakoroka, voatifitr’ireo tsy […]

Hetsika politika: nifampidaroka ny samy mpitolona

Nifandona teny an-kianja ny mpomba ny kandidà laharana fahatelo sy ireo kandidà mpanohitra ny fifidianana. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Nafana ny fifandonana teny Ampasampito, omaly. Nifampikasi-tanana ireo olona tsy mitovy hevitra teny an-toerana. Ny andaniny avy amin’ny mpomba ny kandidà 11, ny ankilany ireo   manao fampielezan-kevitra hanohanana ny […]