Taratra

“Tsy revin-gadra Tour” : hizara ny kantony etsy Antsahavola i Johasina

Seho telo no kasain’i Johasina ho tontosaina mandritra ny “Tsy revin-gadra Tour”. Efa vita ny tetsy amin’ny La Teinturerie, ny 29 septambra, sy ny tany amin’ny Bar’Haingo Antsirabe, ny 7 oktobra, tao anatin’ny hetsika “Madajazzcar”. Hofaranan’ity mpanakanto ity anio kosa, ny andian-tseho izay nomaniny eto an-tanindrazana. Hotontosaina eny amin’ny Sambalia […]

Fampivelarana ny haikanto : miofana ao amin’ny Cites des Arts i Ashiko Ratovo

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Ashiko Ratovo. Miatrika fiofanana ao amin’ny Cités des Arts, ao Paris, indray izy amin’izao fotoana izao, taorian’ny niatrehany ny fifaninanana “Courant du monde”, ny herinandro lasa teo. Manatanteraka fiofanana ao amin’ny Cités Internationale des Arts, ao Paris, Frantsa, na­nomboka omaly hatramin’ny 27 desambara 2023, […]

Toetry ny andro: ahina ny mety hisian’ny havandra

Nampitandrina ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa mandritra ny rotsakorana izay andrandrain’ny faritra afovoantany hatry ny omaly, mety hitohy anio. Hisy ny havandra amin’ny toerana sasany mety hanimba ny voly. Voakasik’ity vinavina amin’ny filatsahan’ny havandra ity ny faritra Analamanga manontolo sy Alaotra Mangoro ary Vakinankaratra. Omaly, nisitraka orana […]

Mpanazava eto Madagasikara: “Mila matoky tena ny zatovovavy”

Ny fahazotoana manoloana ny zava-tsarotra mety handalo no mahatonga ny ankizivavy sy ny zatovovavy ho fanoitry ny fanovana ny hoavy ho tsara kokoa hatrany. Mihamaro ny zava-tsarotra iainan’ny ankizivavy ankehitriny eo amin’ny tontolo misy azy. Mila mivonona ho amin’izany izy ireo ary mila mahazo fanabeazana mifandraika amin’izany. Nandritra ny fankalazana […]