Taratra

Mammographie : fitaovana tokana fitiliana ny homamiadan’ny nono

Ao anatin’ny “Octobre rose” na iray volana hanentanana ny fisorohana amin’ny homamiadan’ny nono isika. Miresaka momba ny fitiliana amin’ny alalan’ny mammographie ny radiologue eo ani­von’ny CHU Andohatapenaka, Rasoamaharo Miangaly Soaniaina. Anisan’ny homamiadana voalohany mamely ny vehivavy ny homamiadan’ny nono. Raha voatily mialoha anefa izany dia ambony ny taham-pahasitranana, hoy ny […]

14 oktobra 1958-2023 : 65 taona no nijoroan’ny Repoblikan’ i Madagasikara

14 oktobra 1958-14 oktobra 2023. Feno 65 taona katroka ny fijoroan’ny Repobli­kan’i Madagasi­kara. Inona marina? Misy milaza fa tena fetim-pirenena ny da­tin’ny 14 oktobra, nijoroan’ny firenena iray tsy mivaky amin’ny maha Repoblika azy. Tantara… Nambara teny amin’ny efitrano filanonan’ny lycée Galliéni, Ando­halo, ny 14 oktobra 1958, ny fijoroan’ny Repoblikan’i Mada­gasikara, […]

FANTINA sy FINTINA

Miantso fifanatonana fa tsy fiziriziriana ny UNDD, araka ny nambaran’ny mpitarika, Manoro Regis, manoloana ny raharaham-pirenena. Niantso ny FFKM koa izy ireo hanelanelana. Tsiahivina fa nomarihina omaly, teny Ivandry ny tsingerin-taona nahafatesan’ny Pr Zafy ka nametrahan’izy ireo fehezam-boninkazo teny amin’ny tsangambato Ambohijatovo. Miantso ny fahamendrehana, ny fahitsiana ary ny etikan’ny […]

Antenimierandoholona : voafidy ho filoha ny loholona Ravalomanana Richard

Vato 15 amin’ireo loholona 15 tonga nifidy ny vato azon’ ny loholona vao notendrena, ny jeneraly misotro ronono, Ravalomanana Richard, ta­min’ny fifidianana teny amin’ ny Antenimierandoholona, An­osikely, omaly. Tsy hanapa-kevitra irery izy, araka ny nambarany. Tsy izy no hiady ho filoham-panjakana mpisolo toerana. “Nefa tsy hiamboho adidy ho an’ny tanindrazana […]

Tsy any… ny lalana! 

  Mahatonga saina ny zava-niseho omaly, teny Ampasampito. Ny samy olombelona no zary miady sy mifandramatra fa tsy ny hevitra intsony. Aiza ve ka tonga hatramin’ny fananganan-tsandry. Toe-java-misy tsy mifanaraka velively amin’ny Malagasy sy ny hodidina iainana ankehitriny. Politika no hatao, tsy tokony ho tonga hatrany amin’ny fandatsahan-dra na fifandratrana. […]