Taratra

TSELATRA

Voasambotry ny polisy ilay renim-pianaka­viana namono nahafaty an-janany tao Manga­rivotra, kaominina Antsiranana, afakomaly. Nandaka vilany tampoka io zanany lahy io ka novonoin-dramatoa reniny. Nasesiny tany anaty lavadrano ny fatin-janany ka tsikaritry ny manodidina izany. Mpandeha telo namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany amin’ny RN6 mampitohy an’Antsiranana, ny 2 oktobra […]

Voaroba ny 12 tapitrisa Ar: atidoha nikotrika ny vinantolahy

Norobain’ny lehilahy iray ny volan-drafozany haterina any amin’ny banky tao Ambatomirahavavy, omaly. Tsy afa-nandositra izy sy ny namany ka tratran’ny zandary. Vinantolahy an’ny voaroba ny iray tamin’ireo telo lahy naka ny vola 12 ta­pitrisa Ar voasambotry ny zandary tao amin’ny fokontany Antanety, kaominina Ambato­mirahavavy, omaly. Hanatitra vola any amin’ny banky […]

Fihariana anaty rano: mikatona ny fanjonoana orantsimba

Anatin’ny politikan’ny fampiharana ny fitantana maharitra ny harena an-dranomasina ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Atao izany handrindrana ny harena anaty rano hisorohana amin’ny fitrandrahana tafahoatra ny orantsimba. Voasokajy ao anatin’izany ireo mpanjono madinika ka hatrany amin’ireo orinasa vaventy. Nikatona nanomboka ny 1 oktobra misasakalina teo ka hatramin’ny 31 […]

VAOVAO TAMBATRA

Miavaka amin’ny famokarana zezika ilaina amin’ny fambolena ny orinasa Export Trading Group (ETG) ao Antetezambaro-Toamasina II. Arakaraka ny filan’ny tany sy ny karazam-bokatra hovolena ny zezika vokarina. Mampiroborobo ny vokatra izy sady afaka mandanjalanja ny filàna ampiasaina. Sahirana ny fiara taxi-be sy ny mpandeha satria tsy afaka mandalo any Analakely, […]

Fifanakalozam-bola: miara-miasa ny banky MCB sy ny MVola

Miaraka miombon’antoka ny banky MCB Madagasikara sy ny orinasa MVola, hanandratana ny fifanakalozam-bola, mora, azo ampiasaina ary azo antoka ho an’ny mpanjifa. Tsotra ny fampiasana azy, mitondra fampandrosoana ho an’ny toekarena eto amin’ny firenena, tsy miankina amin’ny ora fisokafan’ny banky, nefa eo no ho eo. Azon’ny mpanjifan’ny roa tonta atao […]