Namoaka ny tatitra amin’ny diany teto amintsika ny iraka manokan’ny Firenena mikambana (ONU), ny faran’ny herinandro teo. Maromaro ireo teboka notsindrin’izy ireo manokana. Notsiahivin’ny fanambarana fa anton-dian’ireto delegasiona notarihin’i Parfait Onanga-Anyanga, eo anivon’ny ONU, ireto ny fanaraha-maso ny fizotry ny fikarakarana ny fifidianana, hatao ny 9 novambra izao. Nihaonan’izy ireo […]
Taratra
Telma: mitondra fivoarana goavana ny 5G
Nihazakazaka ny fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra tato anatin’ny 44 taona. Efa tena avo lenta ny finday amin’izao fotoana, lasa ilaina amin’ny andavanandron’ny tsirairay. Mahasolo ny fakan-tsary, ny ordinatera hatramin’ny televiziona. Mahatratra 5 tapitrisa ny horonantsary hita any amin’ny You Tube, 67 000 ny sary alaina amin’ny Instagram isaky ny minitra maneran-tany. […]
Vaovao tambatra
Hampifandray an’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny « intelligence artificielle » sy ireo mpamatsy vola ary koa hanome fiofanana ahafahany miteraka asa. Ireo no tanjona apetraky ny « forum des investisseurs à Madagascar et en Afrique (FIDIMA) », andiany faha-5, natao tetsy Andraharo, ny zoma teo. Nahasarika olona maro ny Tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana ary […]
tontolo iainana : mpanao gazety 6 hidina ifotony
Nampahafantarina ny zoma 29 septambra teo ireo mpanao gazety miisa enina voafantina, nanolotra tetikasa hanao fanadihadiana mahakasika ny tontolo iainana. Mizara sokajy telo izy ireo, ka roa avy, amin’ny teny malagasy sy teny frantsay, ho an’ny an-tsoratra, ho an’ny radio ary ny televiziona. Nikarakara ny fifaninanana ny Fikambanana ho an’ny […]
Lemaka voatondraka, Beboka: hamoka-bary 6 300 t fanampiny isan-taona
Paikady mampitombo ny famokarana ny fanamboarana sy fanarenana lemaka. Tombanana hitombo hatrany amin’ny 6 300 t isan-taona ny voka-bary azo ao amin’ny lemaka voatondraka, Beboka. Misesisesy ny fanamboarana fotodrafitrasa samihafa hampiroboroboana ny famokarana mba hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara. Ankehitriny, vita ny 94% amin’ny tohodrano Beboka ao amin’ny distrikan’ Antsalova, faritra […]




