Niantso ny mponin’Antananarivo ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly, tamin’ny alalan’ny fanambarana, mba ho sarotiny sy ho saro-piaro amin’ny renivohitr’i Madagasikara. Nolazainy fa misy mikasa hanao an’Antananarivo ho kianjan’ny korontana sy ny tetika ara-politika indray. “Miantso antsika, fa indrindra ny vahoaka, mba tsy hanaiky izay rehetra mety ho fitarihana amin’ny […]
Taratra
Tovolahy voatifitra : vovo-bolamena voaroba, 9 tapitrisa Ariary very
Naratra mafy, voatifitra teo amin’ny loha sy ny fitombenany ny lehilahy mpanao afera. Lasan’ny jiolahy ny vola 9 000 000 Ar sy ny vovo-bolamena 61 gr. Nandrasan’ny jiolahy kendry tohina, voaroba ny vola mitetina 9 500 000 Ar niaraka tamin’ny vovo-bolamena 61 grama. Lasibatra ny mpisera roa lahy tao Ambatonakanga, fokontany Fiherenantsoa, kaominina Sahatsiho/Ambohimanjaka, ny alin’ny […]
Baolina kitra : hifanandrina i Bénin sy i Madagasikara
Araka ny fikarohana natao omaly, ny volana oktobra ho avy izao no mety hiakatra kianja ny Barea de Madagasikara, ekipam-pirenena Baolina kitra. Raha ny nambaran’i Gernot Rohr, alemà mpanazatran’i Bénin, azo heverina ny hisian’ny lalao ara-pirahalahiana izay hifanandrinan’i Bénin sy i Madagasikara amin’io fotoana io. Filazana nampitany tao amin’ny televiziona […]
Sombim-baovao
Araka ny vaovao navoakan’ny kaomisionina vehivavy, baolina kitra eo anivon’ny FMF. Notoloran’ ny Telma fanampiana ireo ekipam-pirenena, vehivavy, ny alakamisy lasa teo, teny Carion. Marihina fa hiatrika ny “Cosafa Women’s Cup” ny 4 – 15 oktobra ho avy izao, izy ireo. Nanolotra fanampiana ihany koa ny filohan’ny Kaomisionina vehivavy FMF, […]
Miarinarivo Itasy : nahazo kianja ho an’ny taranja iraisana
Nisokatra ofisialy, ny alakamisy teo, ny kianja “multisport” ao Miarinarivon’Itasy. Kianja manara-penitra ho an’ny taranja iraisana: basikety, volley ary handball. Tetikasa natao indrindra ho an’ny tanora mpanao fanatanjahantena ity ary tanjona ny hampiroborobo ireo taranja ireo ao amin’ny faritr’Itasy. Ny Sekreteram-panjakana miandraikitra ny tanàna vaovao no nitokana ireo kianja ireo, […]




