Mivoatra hatrany ny asan-jiolahy mpamaky trano ao Toamasina. Tsy tranohazo na varavaran-kazo intsony no vakian’ireo olon-dratsy fa mahasahy mamaky vavahady vy sy varavaram-by mihitsy ireo jiolahy. Tsy re tsaika ihany koa ry zalahy rehefa miditra ao an-trano. Tranovato sy vavahady vy miaraka amin’ny varavaram-by no nidiran’ny jiolahy ny alarobia alina […]
Taratra
Praiminisitra Ntsay Christian: “Tsy mila korontana intsony ny vahoaka”
Manameloka ny fambolena korontana eto amin’ny firenena ny praiminisitra, araka ny nambarany. Firenena demokratika i Madagasikara, hoy ihany izy. “Tsy mila korontana intsony ny vahoaka. Melohiko ny fambolena kolontsain’ny herisetra eto amin’ny firenena. Fantatra ny fotoana hambolena herisetra, fa tsy fantatra izay hiafarany. Miaina izany ny firenena maro. Na ny […]
Paul Minault Androhibe: hamerina ny herin’ny sekoly ho sangany eto Madagasikara
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly ny taom-pianarana 2024-2025, ho an’ny sekoly Paul Minault Androhibe. Tamin’izany koa ny fandraisan-tanana ireo mpianatra afaka fanadinana ara-panjakana (CEPE, BEPC, BACC) izay nahatratra 80% eo ho eo. Nisaorana ary natao veloma ireo mpanabe handeha hisotro ronono. Tetsy ankilany, notokanana ireo fotodrafitrasa toy ny trano fivavahana […]
« Zo sy safidy ho an’ny rehetra »- UNFPA: nanasongadina ny asan’ny mpanao gazety telo
Telo ny mpanao gazety nisongadina tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny UNFPA eto Madagasikara amin’ny lohahevitra « Zo sy safidy ho an’ny rehetra » ho an’ny Prix du journalisme sur la population, la santé et les droits réproductifs, notanterahina ny taona 2024. Tanjona ny hanome lanja ny asan’ny mpanao gazety amin’ny fampiroboroboana ny fahasalamana sy […]
Boriborintany fahefatra: ankizy 1 613 nisitraka kopia nahaterahana
Iankinan’ny fiainan’ny maha olona ny fananana kopia nahaterahana. Izany indrindra no anaovan’ny boriborintany fahefatra ezaka manokana ho an’ireo ankizy ao an-toerana. Nanao fizarana kopia faobe ny teo amin’ny boriborintany fahefatra, tamin’ity herinandro ity. Zaza iray volana hatramin’ny 17 taona, manodidina ny 1 613 no nisitraka izany. Mitontaly 5 764 kosa […]