Manoloana ny fahataran’ny fitsinjarana ireo fanampiana voaangona eo anivon’ny BNGRC, betsaka ireo misafidy ny hivantana avy hatrany eny anivon’ny rafi-piarahamonina, araka ny fitsirihana nataon’ireo vondrona tsara sitrapo. Ho an’ny 974, Gasy Mirary, avy antsy amin’ny Nosy rahavavy, La Réunion, nisafidy an’i Kalajila, mpanakanto, izy ireo hitarika ekipa manao fitsirihana isam-pokontany […]
Taratra
Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Tokony ho ao anatin’ny BNGRC ny fiangonana”
Hampirisihina ny fampidirana ofisialy ireo tomponandraiki-pivavahana ho anisan’ny mpiantsehatra ao amin’ny Ivontoeram-pandrindran’ny BNGRC ao Toamasina. Nisongadina izany tamin’ ny fihaonan’ny arsevekan’ny diosezin’i Toamasina, ny kardinaly Tsarahazana Désiré, taorian’ny fihaonany tamin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, afakomaly, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. Mba hanatevenana ny fiaraha-miasa amin’ny fanarenana ny […]
TARATRY ny KANTO
Nahemotra ny “Tsapiky Festivaly”, izay tokony ho notontosaina amin’ity faran’ny herinandro ity, any Toliara. Noho ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana ny antony hanemorana izany amin’io volana marsa io. Manampy izany ny fiombonam-po amin’ireo traboina any amin’ny faritra Atsinanana, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza, raha ny fanazavana avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny […]
CCI Ivato : Hanokafana ny faha-55 taonan’ ny tarika Mahaleo
“Fihavanana tsy ravan’ny taona” ihany no lohahevitra hanamarihana ny faha-55 taonan’ny tarika Mahaleo. Hatomboka ny 1 marsa izao izany ka hitohy amin’io taona ho avy io. “Tadidiko ry zalahy, tamin’ny 72…”, hoy ny tononkiran’i Dama. Hira nataony kokoa ho an’ireo namany, ho an’ny fiarahana, ho an’ny tarika Mahaleo iny. 54 […]
Hiatrehina ny fiovan’ny toetr’andro : Nofanina ny teknisianina sy ny mpiray ombon’antoka
Notontosaina teto Antananarivo ny fampahafantarana ny Climate Risk Informed Decision Analysis (Crida) sy ny fampiofanana ireo teknisianin’ny minisitera sy ireo mpiray ombon’antoka rehetra. Momba ny teknika sy fomba entina hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiantraikany, indrindra amin’ny tahirin-drano eto Madagasikara izany, araka ny fanazavan’ny talen’ny Andea, Rasoamiaramanana Ngolatiana Hobinantenaina. […]




