Nitondra fanazavana manoloana ny raharaham-pirenena ny praiminisitra Ntsay Christian ny faran’ny herinandro teo, teny Ivato. Anisan’izany ny hiatrehana ny fifidianana. “Tsy misy lalana ankoatra ny fifidianana. Tsy ekena izany Tetezamita vaovao hitondra ao anatin’ny roa taona izany. Mazava ny lalana hizorantsika: fanajantsika ny lalàna velona eto Madagasikara. Mandala an’ izany […]
Taratra
Boriborintany faha-IV : hisitraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana
Eo amin’ny fokontany Angarangarana Mandrangobato II, ao amin’ny boriborintany faha-IV indray ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny sampan-draharahan’ny fahasalamana. Hanomboka rahampitso hatramin’ny zoma izany. Tolotra ara-pahasalamana maro no ho hita sy afaka sitrahin’ny mponina eny an-toerana. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, hisy koa ny fitiliana […]
INDRAY MIJERY
Hotanterahina eo amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny alakamisy 28 septambra izao, ny fampirantiana ireo karazana asa, mifandraika sy mifanentana amin’ireo olona manana fahasembanana. Miaraka ho amin’ny asa mampiaty sy maharitra… lohahevitra amin’ izany. Mbola maro ireo orinasa tsy mandray olona manana fahasembanana eto Madagasikara. Nihaona tamin’ny minisitry ny Mponina ny […]
Aretina Alzheimer : ireo fambara 10 tokony hahamailo
Ny alakamisy izao no Andro maneran-tany ho an’ny aretina Alzheimer. Nampahafantatra ireo fambara 10 tokony hahamailo mikasika ity aretina ity indray ny fikambanana Masoandro Mody, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny Iray volan’ny fampahafantarana ny aretina rahateo. Tsy zotram-pivoaran’ny fahanterana velively ny aretina Alzheimer raha ny fanazavana ka mila manatona dokotera […]
Lozam-pifamoivoizana : vokatry ny moto ny 78% mahafaty olona
Anisan’ny mahafaty olona betsaka indrindra amin’ny lozam-pifamoivoizana ny moto. 78% ny tranga mahafaty olona izany, raha ho an’i Madagasikara. Nilaza ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro fa 28%-n’ny olona maty maneran-tany dia vokatry ny loza ateraky ny mpitondra kodiaran-droa. Miakatra 78% izany raha […]




