Notanterahina nanomboka ny zoma sy omaly, tany Mahajanga sy Antsirabe ny andro faharoa, fifaninanam-pirenena « D2 National », taranja baolina kitra eto Madagasikara. Anisan’ireo klioba nahazo fandresena roa tamin’ity fifaninanana ity, ny JSA Ihorombe. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 2, ny GJFT Atsimo Andrefana, teo amin’ny andro voalohany izay natao […]
Taratra
“Rugby Mondial 2023”: mamiratra i Afrika Atsimo sy i Irlande
Notanterahina nanomboka ny alakamisy lasa teo, tany France ny andro faharoa, fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “World Cup 2023”, taranja rugby, lehilahy. Maro ireo ekipam-pirenena naneho ny heriny tamin’ity fifaninanana ity, omaly. Anisan’izany ny Springboks Afrika Atsimo, nanamontsana an’i Roumania, tamin’ny isa mavesatra 76 no ho 0. Ankoatra ny Springboks, […]
Basikety Vehivavy: Niampy ekipa telo ny N1A
Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tany Mahajanga, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly « N1B, vehivavy » sy ny U20 lehilahy. Tafakatra ho N1A ny Fandrefiala, BTBBA ary ny USJFM. Ankoatra ny MB2All Analamanga izay efa manana ekipa N1A, tafakatra ao anatin’izany sokajy izany ihany koa ny Fandrefiala Analamanga, ny BTBBA Diana ary […]
Rugby: tsy nahazo ny tapakila Olympika ny Makis de Madagascar
Rava ny nofinofin’ny Makis de Madagascar, lehilahy, eo amin’ny fiatrehana ny “lalao Olympika (JO 2024)”, taranja rugby lalaovina olona 7, tanterahina any Paris France. Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana mantsy ny lalan-dry zalahy. Nosakanan’i Zimbabwe ny lalan’ny Makis de Madagascar, ka tsy afaka ny hiatrika ny lalao Olympika, tanterahina any […]
Sombim-baovao
Norombahin’Andriantefihasina Mirija, Malagasy mpilalao tenisy, ny medaly alimo, ny zoma 15 septambra teo, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, U14, natao tany Maroc. Lavony tamin’ny seta 2 no ho 0 (4/0, 4/0) ilay tonizianina, Skander Nsairi. Nahazo fahombiazana indray ny Akomba taorian’ny lalaon’ny Nosy natao teto amintsika. Notanterahina omaly alahady […]




