Taratra

SOMBIM-BAOVAO

Taorian’ny lalaon’ny Nosy 2023, hisy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja taekwondo amin’ny « Kyrougi », izay hatao any Côte d’Ivoire, ny 11-12 no­vemb­re ho avy izao. Aorian’io, hisy ny fifidianana izay ho filohan’ ny Federasiona malagasin’ity taranja ity, ny taona 2024. Nanomboka ny zoma 8 septambra lasa teo ny Mondial […]

Handball- Can 2023: hifandona amin’i Algérie ny Akio

Hotanterahina anio, any Monastir Tunisie, ny andro farany amin’ny fifanintsanana isam-bondron’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Handball, sokajy juniors, vehivavy. Anisan’ireo lalao andrasan’ny Malagasy rehetra, ny fihaonan’ny Akio de Madagasikara amin’i Algerie. Marihina fa andro fahadimin’ny vondrona “B” ity fihaonan’ny roa tonta ity. Ny ekipam-pirenena malagasy Akio, farany ao […]

Fifidianana filohan’ny FMF : tsy mbola nisy kandidà tonga nanatitra antontan-taratasy

Hatramin’izao, tsy mbola misy mitonona ho kandidà hifaninana ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nambaran’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana fa tsy misy na iray aza tonga nanatitra ny taratasy filatsahany. Raha tsy misy fiovana farany, amin’ny alakamisy 14 septambra amin’ny 6 ora hariva no hifarana ny fandraisana […]

Kandidà Rajoelina Andry : “Mahay sy mahafehy ny stratejia politika aho…”

Nambaran’ny kandidà Ra­joelina Andry, teny Alarobia, omaly, ny momba ny nanen­drena ny Jly Ravalomanana Richard ho loholona, nialoha ny fametraham-pialany tsy ho filoham-pirenena, ny herinandro teo. “Isika mahay sy mahafehy tsara ny stratejia politika”, hoy izy. Notsiahiviny avy eo fa tsy nanova ny praiminisitra ny tenany tao anatin’ny 5 taona. […]

Fisotroan-dronono : mila hajaina ny tetiandro fizarana

Nanomboka omaly hatramin’ny faran’ny herinandro ny fitsinjarana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona ho an’ity volana septambra ity, araka ny tetiandro navoakan’ny tahirimbolam-panjakana. Ho an’ny eny amin’ny perceptions principales sy ny Trésorerie principale intercommunale (Tpic) ary ny Trésorerie principale eto Analamanga dia ny laharana miafara amin’ny 0, 1, 2 no […]