Taratra

Filohan’ny HCC : “Tsy azo terena ny filohan’ny Antenimierandoholona”

Nitondra ny heviny mikasika ny tsy nandraisan’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny fitantanana ny firenena ny filohan’ny HCC, omaly. Tsy azo terena izy, araka ny nambarany. “Sanatria tsy manambany olona: raha ny mpiasa ao an-trano aza no milaza hoe tsy hanao intsony, tsy azo terena. In­drindra ny olona omen’ny Lalàmpanorenana andraikitra makadiry […]

INDRAY MIJERY

Tanterahina any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny famatsiana fanafody amin’ny alalan’ny drone, izay teknolojia vaovao ampiasaina eto Madagasikara. Fanampin’izay, hisahana ny fanapariahana ny fanafody entina handrindrana ny fiterahana ihany koa ny drone, araka ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa «Pivot» sy ny UNFPA. Hotanterahina ny 15 ka hatramin’ny 17 septambra izao ny […]

Toby fitaizana ny zaza kambotin’ny polisy : nanolotra fitaovana ny masoivoho amerikanina

Nitondra fanampiana ho an’ny ivontoerana fitaizana zaza kamboty sahanin’ny polisim-pirenena any Ambato­lampy ny masoivoho amerikanina, i Claire Pierangelo, omaly. “Nifanandrify tamin’ny faha-22 taona nisian’ilay asa fampihorohoroana niseho tany Etazonia ny fotoana”, hoy ny tomponandraikitry ny fiarovana ao amin’ny masoivoho amerikanina, i Rick Hays. “Ny fanabeazana no tsara indrindra entina mioitra […]

Mpampianatra avy amin’ny ENS : hozaraina, anio, ny fifanarahana arakasa

Araka ny fampanantenan’ny fanjakana, hiroso amin’ny fizarana fifanarahana arakasa ho an’ireo mpampianatra nivoaka teny amin’ny Ecole normale supérieure (ENS) ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Hotanterahina amin’ny fidirana ofisialy, taom-pianarana 2023-2024, anio, izany. Fifanarahana 816 no efa vita sy hozaraina ka any amin’ny Dren Vakinankaratra, ao Antsirabe, no hisantarana izany, anio. Hitohy any […]

Cisco Antananarivo Renivohitra : vitsy ny ray aman-dreny mahaloa manontolo ny latsakemboka Fram

Hatao any amin’ny Cisco Antsirabe, ao amin’ny kianja Velodrome, ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2023-2024, miaraka amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, anio. Vita ny herinandro voalohany nisantarana ny taom-pianarana 2023-2024 ho an’ny sekolim-panjakana sy ny sekoly tsy miankina sasany. Mbola mitohy ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra izay mbola tsy […]