Hatao ny 4, ny 5, ny 6 ary ny 7 oktobra 2023 ho avy izao ny tsenabem-paritra “Foara Voatse” any Ambovombe Androy. Nilaza ny governoran’ny faritra Androy, Soja Lahimaro Tsimandilatse, fa hampisongadinana ny vokatra any amin’iny faritra iny ity tsenabe ity. Toy ny fambolena (katsaka, voanjo,…), ny omby sy ny ondry aman’osy, […]
Taratra
Ambatovy: tantsaha miisa 2 100 nahazo fanampiana
Ao anatin’ny fomba fiasan’ny orinasa Ambatovy ny manampy ireo tantsaha entina hampiroborobona ny seha-piahariany. Tantsaha 2 100 ireo efa nahazo fanampiana avy amin’ity orinasa goavana ity eo amin’ny faritra iasany.Tsy latsa-danja amin’izany ireo nahazo tohana tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny tsenaben’ny «FIER-Mada 2023 ». Miisa 15 ny fikambanana tantsaha avy ao amin’ny distrikan’i Moramanga sy […]
« Salon de la créativité Voatra »: Manandratra ny vokatra vita malagasy
Hetsika ara-barotra, ara-toekarena, ara-pamoronana. Toy ny fanao isan-taona nanomboka ny taona 2013, hotontosaina ny 25 ka hatramin’ny 28 oktobra izao, eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny hetsika « salon de la créativité Voatra » andiany faha 10. Tanjona ny fanohanana ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) eto amin’ny faritra Analamanga sy manerana […]
Taninketsa indostrialy: hanodina voatabia 1t isan’ora ilay milina ao Ambatondrazaka
Hamokatra voatabia voahodina hatrany amin’ny 1t ary hipaka mivantana amin’ny tantsaha mpamokatra ny tombontsoa azo avy amin’ny fametrahana ny milina mpanodina voatabia ao Ambatondrazaka. Toerana anisan’ ny mamokatra voatabia ny distrikan’Ambatondrazaka. Tafakatra 16 500 t isan-taona ny vokatra ao an-toerana. Tonga nanolotra milina mpanodim-bokatra ny filoham-pirenena ny sabotsy teo Ambalabako […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 15 ny orinasa maniry hanondrana volamena. Nametraka antontan-taratasy mangataka fahazoan-dalana ny 9 amin’izy ireo, teny amin’ny Antokon-draharaha nasionaly lalam-pihariana volamena (Anor). Amin’ ny alalan’ny didim-pitondrana no hamoahana ny fahazoan-dalana mifandraika amin’ny Tsenan’ny volamena. Handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) i Madagasikara. Hatao any New York […]




