Taratra

Vita ny antsapaka : miroso ny fanatanterahana fifidianana

Fanajana ny didy aman-dalàna, fangaraharahana amin’ny fitantanana fifidianana, tsy fitanilana. Izay no nanaovan’ny Ceni ny antsapaka teny Alarobia, omaly, amin’izay ho filaharan’ny kandidà amin’ny biletà tokana, tabilao fampielezan-kevitra, fandraisam-pitenenana amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Taorian’ny antsapaka na­trerahan’ireo kandidà na ny solontenany, no­ha­zavain’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, ny dingana amin’ny zotram-pifidianana. Lasa […]

TSELATRA

Mpanao taxi-moto ilay lehilahy hita faty teny Mahabo Andoharanofotsy ny sabotsy lasa teo. Nanokatra ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Nosimbain’ireo mpamono olona ny tarehin’io lehilahy io ary nofonosany tao anaty harona plastika. Nariana tao anaty tatatra misy honahona ny vatana mangatsiaka ka ny fokonolona no nahatsikaritra azy. Lasan’ny jiolahy ny […]

Ampefiloha: trano 31 kilan’ny afo, may ny biby fiompy

Nivadika lavenona ny tra­no 30 mahery teny Ambo­dirano Ampefiloha, omaly tolakandro. “May avokoa ny trano hazo 31 ary kila ny kisoa efatra”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny fokontany Ambodirano Ampefiloha, Razanadramia­dana Nirina. Nahandro sakafon-kisoa toy ny fanaony ny iray tamin’ny fokonolona eny an-toerana tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Nandeha naka […]

Mpianaka novonoina: vehivavy voatsatok’antsy, zazalahy kely nokendaina

Mampihorinkoditra!Mpianaka norobain’ny jiolahy ny sabotsy alina lasa teo. Notsatohana antsy ny tendan’ ilay vehivavy, nokendaina tamin’ny lamba ny zanany lahy vao telo taona. Vehivavy 30 taona sy ny zanany lahy teo taona sy tapany no hita faty nihosin-dra tao an-tranony ao Avaratsena, kaominina Am­bohimandroso Gara, distri­kan’Antanifotsy, faritra Va­kinankaratra, ny sabotsy […]