Ilaina ihany io amin’ny maha mpanakanto. Tsy tadiavina kosa anefa fa tonga ho azy. Mety tsy ho izay ihany koa fa vokatry ny tosika avy amin-javatra hafa toy ny dokam-barotra sy fampiasana vola totoafo. Mifangaro ireo eto amintsika hany ka manjary tafavondrona anaty kitapo iray. Samy kalaza ! Ka ny laza […]
Taratra
Rajoelina Andry Nirina : « Kandidàn’ny fanamby, modely tamin’ny fikirizana »
Kandidà laharana faha-3 ao anatin’ny bileta tokana ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry Nirina. Nanomboka ny taona 2007 no nahitana azy voalohany tamin’ny sehatra politika. « Fikirizana sy fanamby », teny roa azo hamehezana ny lalana nizorany. Taorian’ny antsapaka natao teny anivon’ny Vaomiera mahaleo tena mikarakara fifidianana (Ceni), omaly, dia […]
FANTINA sy FINTINA
Nivory tany Vienne, momba ny ady amin’ny kolikoly ny Bianco, ny CSI ary ny Arai. Nifarana ny herinandro teo izany atrikasa niarahan’ny rafitra isaky ny governemanta izany. Voaresaka ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly. Voatendry ho tale kabinetra eo anivon’ny Prezidansa, ny Jly Rasolondraibe Jean Yves. Misolo ny […]
Antoko Arema, Ratsiraka Annick : “Hitanila ny fifidianana ary tsy hangarahara”
Nitondra ny heviny sy nanazava ny toe-draharaham-pirenena tany Mahajanga, ny herinandro teo, ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick. Anisan’izany ny momba ny fifidianana. “Hitanila ny fifidianana ary betsaka ny tsy mazava. Eo an-tananan’ny olom-bitsy tanteraka koa ny fitantanana ny firenena”, hoy izy. Nohazavainy tamin’izany ny antony nisintonan’ny Arema ny filatsahan-kofidiny […]
Mahay milalao !
Henjana ilay Malagasy mpanao politika ! Izay vahoaka mpanara-dia, indrindra ny manao am-po no tena fanina. Jereo anie ity lisitra farany navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Saika ireo niara-nitondra hatrizay ihany no nahafeno fepetra. Anjakan’izy ireo Madagasikara. Ny mpiray latabatra rahateo tsy mifamono izany. Firy tamin’ireo no nilaza […]




