Taratra

Ranomasimbe Indianina: fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina

Atao eto Madagasikara, omaly 11 sy anio 12 septambra, ny fivoriana iraisam-pirenena mikasika ny tontolo an-dranomasina aty amin’ny ra­nomasimbe Indianina. Fo­toana entina hankatoavana ny fitantanana manontolo ny morontsiraka (GIZC). Man­dray anjara amin’ity fivoriana ity i Tanzania, Afrika Atsimo, Mozambika, Somalia, Kenya, Kaomoro, Frantsa (La Réu­nion), Maorisy, Seychelles, Madagasikara ary ny […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo: hojerena ny paikady laharam-pahamehana

Dinihina ny paikady vaovao hanatsarana ny lafiny ara-tsakafo eto amintsika sy maneran-tany. Karohina ny laharam-pahamehana ho tanterahin’ny mpisehatra voakasika avy. Nanome toromarika ny Rafitry ny Firenena mikambana ara-tsakafo (SNUA), ny taona 2021, fa mila mamorona paikady sy rafitra vaovao mikasika ny sakafo maneran-tany. Natao teto Antananarivo, omaly, ny atrikasa fakan-kevitra […]

TARATRY ny KANTO

« Lecture en rire ». Anjaran’ny eny amin’ny boriborintany fahatelo, Antaninandro, indray no handray ny hetsika “Lecture en rire”, rahampitso. Hetsika karakarain’ny CUA, amin’ny alalan’ny DACVC, sy ny fikambanana mpanao hatsikana sahala amin’ny Be Tige sy Gasy Stand Uppers. Fanentanana ny olona, indrindra ny ankizy sy tanora, no tanjona amin’ny hetsika toa […]

Fomba amam-panao : mihena ny isan’ny Malagasy manao ny famadihan-drazana

Fomba amam-panao, tanterahin’ny Malagasy avy eto afovoantany, ao anatin’ny vanim-potoana maintany sahala amin’izao ary telo taona aorian’ny nahafatesan’ny olona iray, farafahakeliny ny famadihan-drazana. Araka ny antotanisa eo anivon’ny tomponandraikitry ny kaominina maromaro anefa, miha mihena isan-taona ny Mala­gasy manao ity fomban-drazana ity. Mihena isan-taona, araka izany, ny isan’ireo ma­nao fangatahana hanao […]

Fampielezan-kevitra : mety tafakatra 300 tapitrisa Ar ny maka tarika iray

Andro vitsivitsy sisa no hisaina… Raikitra ny fampielezan-kevitra ! Hiasa mafy ny mpanakanto. Manao ahoana ny endriky ny tontolon’ny fifanarahana ao anatin’izany ? Dinika nifanaovana tamin’i Roberto, « manager » tarika Stéphanie. Gazety Taratra (*) : Amin’ny maha « manager »-nao, manao ahoana ny antso azonao momba ny fanafanana fampielezan-kevitra ? Roberto (-) : Efa maro amin’ireo nirotsaka hofidina ho […]